Tomi Dadarozy
Tomi DADAROZY no solon’anarana ahalalana an’ i
RASOLOFOSON Fidy Manantsoa, monina ao Antsirabe (Madagasikara).
Mpikambana ao amin’ny OMDA ( Zon’ny Mpamorona)
nanomboka ny taona 1995 amin’ny maha - Mpanoratra,Mpamorona feon-kira sy
Mpandrindra mozika ary Mpihira.
Nanomboka tamin’izy 15 taona no nilona
voalohany tao amin’ny tontolon’ny mozika tamin’ny fampianarana tena.
Nanomboka tamin’ny 1994, tany Toliara, no namorona ny Tarika GAMA na Gasy
Manal’ Azy vokatry ny finamanana tanora maromaro mpankafy mozika mifangaro na “
fusion” ka ny mozika Rock Vakodrazana
malagasy no niangalin’izy ireo tamin’izany.Nandray anjara tamin’ireo
fihetsiketsehana nisy tamin’izany ny Tarika GAMA , toy ny Cabarets, Diner
concert, Fête de la musique, Rencontre musicale ary Festival Culturel de
l’Université ...
Ny taona 2002, Tomi DADAROZY raha nanohy ny fianarany tao Antananarivo dia nanangana Tarika REGA na Revy Entin' ny Gadon' Adalana vokatry ny mpinamana ny samy mpilalao mozika izay nandray anjara tamin’ny fandaharana ( MaTV sy RLI, RTA hoanao …) , Cabarets ary Fête de la musique ...Ny fianarana anefa no nahatonga ny Tarika ho rava tamin’izany.
Nanomboka ny taona 2005 ka hatramin’izao, Tomi DADAROZY dia nifototra tanteraka tamin’ny famoronan-kira ka anisan’ ny nahalalana azy teo amin’ny tontolon’ny kanto dia ny fandraisany anjara tamin’ ny raki-kira roa an’i Haingo "Ho Anao" sy "Groove it… from MD" (tsidio www.haingo.com) sy ilay hira hirain’ i Haja PAZZAPA III mitondra ny lohateny " Tiako tokoa " ary ireo tanora vao misondrotra ...
Ny taona 2006, niverina indray ny Tarika GAMA ( niova ho GAsy MAsaky) rehefa nihaona ka namokatra raki-kira mitondra ny lohateny “ Madagasikara” izay miangaly ny “musique du monde”. Noho ny fahatomombana ara-bola sy ny tsy fananana Manager dia mbola tsy nivoka eny amin’ny tsena ny vokatra.
Ny oktobra 2008, dia nandray anjara tamin’ny
Festival Madajazzcar tao Antsirabe izy sy ny mpiara-miasa aminy izay mpialalao
mozika ihany koa ka nanangana Tarika RegVak QUARTET izay miangaly ny Jazz Fusion Malagasy.
Tomi DADAROZY dia mpankafy ny “Musique du monde “ sy ny vazo miteny.
Raha sitrapon’ Andriamanitra dia amin’ ity
taona 2009 ity izy no mikasa ny hamoaka ny raki-kirany voalohany mandeha irery
izay miangaly ny vazo miteny ary eo am-pitadiavana ny manager-ny izy amin’izao
fotoana izao.
Mieritreritra ny hanangana Tarika iray hafa izy izay hilalao “musique du monde
“ rano fotsiny izay efa vonona ny hira rehetra.
“ Ny fihenoana sy fankafizana ny mozika dia mitondra fanantenana sy fihavanana amin’ny fiainana, ary ny fanaovana ny mozika dia miteraka filaminana ao anaty ” Tomi DADAROZY
Tranok’ala : http://www.tomidadarozy.netii.net na www.myspace.com/tomidadarozy
Imailaka : tomidadarozy@live.fr










Comments:
1. Mpankafy
Mankasitraka Dadarozy,
Izay ve ianareo vao vonona e?
Ny vazonareo norme fa mila avoka amin'izay ee
BonS
2. espoirdevato
Tena mahafinaritra be , bravo l'artiste
3. espoirdevato
Tena mahafinaritra be , bravo l'artiste
4. Haingo
faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx
5. Haingo
faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx
6. Haingo
faly mahita ny fivoaranao eo @ sehatrin'ny mozika, ataovy tsara ny album fa miandry zahay e! Ataovy mahafinaritra foana toy ny efa niaraha-nikalo hatrizay, xxx
7. DRAGON BOYS FORCE
TONGA DE MILAY LE REVY,
TOHIZO H@ FARANY BAINA AN
ROVINA LE MANALA AZY TSOTSOTRA DE TSOUTSOUTSEMENT E,
HUHUHUHUHUHU
VIVE MNN
DRAGON BOYS FORCE TOUT TERRAIN
8. Domoina
mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!
9. Domoina
mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!
10. Domoina
mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!
11. Domoina
mazotoa foana de mikiriza fa milay le revy e!
asondroty avo io jazz io namana a!
12. CEMGAM
K'aiza ra fidy é, ay ve lty éla manao mozika kou é, Izay lesy ao tarika fassol kou a. CEMGAM mandriambero ihany é.
13. Valiha
Bonjour!
Manao ahoana ny vazo ao eh!
Bon courage letsy eo amn fiainana ah!
ndraindray io miakatra ndraindray io midina fa ankino am Andriamanitra zay ataonao fa ataony tanteraka foana raha fantany fa mahasoa
14. Valiha
Bonjour!
Manao ahoana ny vazo ao eh!
Bon courage letsy eo amn fiainana ah!
ndraindray io miakatra ndraindray io midina fa ankino am Andriamanitra zay ataonao fa ataony tanteraka foana raha fantany fa mahasoa
15. seheno
tsara fa tohizo fa ny namanao eto foana manohana ara morale, de mahavita hatramin'ny farany, Andriamanitra ane hitaridalana anao mandrakariva sy hanampy anao amnin'izay rehetra ataonao
16. seheno
mety efa fantatrao angamba woe iza za mampahery anao io e
17. RAZAFIMAHEFA Rivoarilanto
Slt! mahafinaritra ny fivoaranao teo @ sehatrin'ny kanto, mankahery ary mirary ho tonga @ tanjona avo indrindra.
18. vony mahajanga
Salut!
Mahafinaritra ahy ny asanao, efa nisy fotoana nihaonantsika tany Mahajanga, niaraka tamn namanao ianao, misy fety ho karakarainay ka mba mila fiaraha miasa aho si possible, io mail ko io ts mety fa raha azo atao dia antsoy ny num 032 02 247 51; misaotra mialoha.
Manantena ny valiny misaotra
19. Fy
Bjr enao
otrany tsy vahiny@ko le endrikao zan an!en tout cas alo mirary soa@zay reetr atao e!
tsy enao ve le niasa tao@région tao antsirabe iny? le teo apitan'ny total? tena tsy diso ngamb za an!!!
nisy olona fantatro zay niaraniasa t@nao manko talo.
otran ef napienoni ny hiranao ary za t@zan?
20. Zilimena
Iza ko zany tarika dadarozy e, izahay aloha tsy mbola naheno anzany, tokony izay mba tarika efa fantatra no miditra eto fa tsy ity olona vao mianatra mandray gitara rehetra ity fa mameno page fotsiny.
21. Raozigasy
Tsy aleo ve ry Zilimena ireo izay vao misandratra no asondrotra rehefa tsara ny zavatra ataony a !!!