Tonga ny fotoana ijoroana
Dimampolo taona nahazoana ny Fahaleovantena, aiza ho aiza ny Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
Voaroaka tsy nasian’ny olona hasiny nandritry ny fihaonamben’ny Firenena mikambana (ONU), sazian’ny Vondrona afrikana (UA), sazian’ny Vondrona eoropeana (UE) eny fa na i LaFrantsa aza tsy afa-manakipy maso intsony ka manomboka mihataka sao handoro ny lambany eo.
Raha lazaina amin’ny fiteny diplaomatika dia tsy misy azo ifaneraserana fa « persona non gratae » ireo mpanao politika isan-kolafiny rehetra eto Madagasikara. Tsy misy mendrika ny hisolo tena an’i Madagasikara.
Voahosihosy ny Fiandrianam-pirenena na Souveraineté Nationale! ary tsy iza no manosihosy azy fa ireo milaza ho mpanao politika ihany.
Fiandrianam-pirenena no dradrainy saingy adilahy hahazoana ny “seza fiandrianana” no ifandrotehany.
Mbola raiki-tapisaka ilay saina “Fanjakana” fa tsy “Fitondrana”. Ary izay indrindra no ahasahiany manitsakitsaka ny safidim-bahoaka satria izireo dia misora-tena ho “manam-pahefana manjaka” fa tsy “mpitondra”. Toe-tsaina efa lany andro ary tsy azo leferina intsony amin’izao siekla izao ka izany no mahatonga azy ireo ho “persona non gratae” eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mitovy laharana amin’i Robert Mugabe atsy Zimbabwe !
Henatra lehibe ho an’ny olom-pirenena mahatsiaro saina izao, koa aoka isika tsy hanaiky lembenana intsony.
Adidintsika tsirairay avy no mametraka ny Fiandrianam-pirenena ary miaro izany amin’ny adalan’ny mpanao politika tsy maharaka ny fivoaran-tsaina !
Tsy tsangan’olona akory ny Malagasy fa tena olom-pirenena tsy miamboho adidy ary mandray andraikitra. Raiso an-tanana ary ataovy soroka miara-milanja ny Fiandrianam-pirenena.
Ataontsika izany, vitantsika izany !
Dimampolo taona nahazoana ny Fahaleovantena, aiza ho aiza ny farim-piainan’ny Malagasy ?
85% n’ny Malagasy no voalaza fa miaina ao anaty fahantrana tanteraka, zara raha mahita harapaka. Vao miha-mitombo indray izao ny quat’mis mitsimpon-jaoridira.
Etsy an-daniny anefa iaraha-mahalala fa tany manan-karena I Madagasika, ao ny harena an-kibon’ny tany, ny tany mahavokatra midadasika tsiriritin’ny Firenen-kafa toa an’I Corée sy Inde, ao ny harena an-dranomasina izay ifandrombahan’ny sambo ozinina japoney sy ny hafa, ao ny morontsiraka, ny ala sy ny hazo sarobidy, sns.
Tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany : ny fitrandrahana ireo harena isan-karazany dia sady nanampy be dia be ny indostria frantsay no koa ny ambim-bava mbola nahavitana foto-drafitrasa teto Madagasikara toy ny lalam-pirenena, ny zotra an-dalamby, ny seranam-piara-manidina sy seranan-tsambo, ny hopitaly lehibe sy harifomba, ny trano fianarana izay mbola mijoro hatramin’izao.
Marina fa natao hanondranana ny harenantsika isan-karazany sy izay nampety ny fiainan’ny voanjo mpanjanaka teto amintsika no nanaovana azy ireo. Raha fintinina dia sady nandray anjara lehibe tamin’ny toe-karena frantsay I Madagasikara no nahavelo-tena ihany koa.
Amin’izao fotoanandro izao, tsy mitsahatra fa mbola mitombo aza ny fitrandrahana ny harentsika saingy nahoana no tsy maha-velon-tena intsony isika ?
Nahoana no tsy voaloha ny karaman’ny fonksionera raha tsy misy ny findramam-bola avy any ivelany ?
Nahoana no tsy harifomba ny toera-pitsaboana lehibe fa voatery manao évacuation sanitaire ? Nahoana no tsy misy na tsy ampy ny fanaovana dialyse ?
Nahoana no tsy ampy fitaovana sy fanafody ireo dispensaires ?
Nahoana no tsy mihinana sy voatsabo ny Malagasy raha tsy misy ny fanampiana avy any ivelany ?
Nahoana no tany manan-karena I Madagasikara nefa lasa Mpangataka ny Firenentsika ?
José RAMAROMANANA







Hevitra:
1. Nannie
Satria ny any anaty toe-tsaintsika any mihitsy no voa. Asa na ela niaretana ny fahantrana na maninona fa may ny hiakatra eo amin'ny fahefana miaraka amin'ilay tanjona hoe hameno paosy daholo ny rehetra, dia izao sisa. Araky ny hevitro, raha toy izao daholo ny toe-tsaintsika rehetra dia angamba aleo homena ny frantsay any ho haingana ny fandrosoana fa toa tsy misy mendrika ho eo mihitsy angamba raha Malagasy ko !!! Ohatran'ny Malagasy manao asa tànana zaitra an-tsena ihany e : maim-bola satria mafy ny fiainana d ny finition avy no tsy atao tsara, hany ka raha mividy zaitra an-tsena ianao d voatery hamafisinao iny akanjo iny ! satria ny fidiram-bola no mahamaika fa tsy izay hahatsara ny zavatra atao. Misaotra tompoko.
2. Nirina
Tonga tokoa ny fotoana hijoroana, fa tsy @hery na @fahalalana fa miverina @maha izy azy antsika dia ny fiverenana @A/tra, tsy @andriamanitra Grika zay ivavahantsika ankehitriny tsy akory fa @A/try ny Israely zay namorona ny tany sy ny lanitra
3. rabelazao flash
Marina izany, mijaly ny vahoaka saingy alohan'ny handraisana fanapahan-kevitra dinio kely ny tantara. Aoka hatomboka tamin'ny 1991, tsy hoe tsy misy dikany akory ny talohan'ny 1991 fa heverina fa isan'ny kihon-dàlana eo amin'ny tanataram-pirenena io taona io satria rehefa nahatsapa ny gasy fa diso làlana tamin'ny socialisme dia nitodika tamin'ilay noheverina hoe demokrasia. Anisany tolona nanana ny toerany iny satria nentina am-bavaka ny tolona. Tadidintsika rehetra angamba ilay teny faneva tamin'izany manao hoe: "ento miakatra ity firenena ity" . Tafiditra tao ny FFKM. Ny fotoana teo amin'ny kianjan'ny 13 May dia misy fotoam-pivavahana aloha tarihin'ny mpitondra fivavahana, izay vao mandeha ny kabary fanentanana vahoaka hanalàna an'Andriamatoa Ratsiraka eo amin'ny fitondrana (voalaza eo daholo na fanakianana, fanaratsiana, ratsiraka miompy bibiolona, sns...) Niongana ihany Ratsiraka ny niafarany ary nisy nilaza mihitsy aza tamin'izany fotoana izany hoe mahery ny Andriamanitrantsika.Tafakatra ho filoham-pirenena Andriamatoa Zafy Albert saingy indrisy tsy naharitr'ela dia niongana. Nankaiza ilay filamatra hoe ento miakatra ity firenena ity? Tsy nahatana azy teo amin'ny seza ny ranombavaka rehetra natao. Ny mahazendana dia tafaverina teo amin'ny sezany indray Ratsiraka tamin'ny taona 1997. I ratsiraka izay nàoheverina ho mpandroba firenena, ratsy fanahy, mpanompo sampy sns... mipetraka ny fanontaniana aiza Andriamanitra? Pr Zafy nanaovana fotoam-pivavahana niala ary ilay i Ratsiraka noheverina fa tsy izy niverina. Mitohy ny tantara 2002, tonga indray ny tolona teo amin'ny kianjan'ny 13 Mai, tsy maintsy esorina Ratsiraka fa nangala-bato tamin'ny fifdianana filoham-pirenena satria araky ny hevitry Atoa Ravalomanana dia nandresy 1er tour ny tenany. Niditra an-tsehatra indray ny FFKM sy ny fotoam-pivavahana mialoha ny kabary saihafa teo amin'ny 13 Mai. Niongana indray ingahy Ratsiraka ary lasa filoha Atoa Ravalomanana. Ny nampiavaka ity fiakaran-Dravalomanana ity dia ny FANALA DEVOLY ISAKY NY MINISTERES REHETRA nataon'ireo Mpiandry. Natao izany rehetra izany fa dia niongana ihany ny niafaran'i Ravalomanana. Mbola mipetraka indray ny fanontaniana manao hoe aiza Andriamanitra? Efa natao ny Vavaka, Nesorina ny devoly, nefa niala ihany Ravalomanana vice président laîque ny FJKM tamin'ny taona 2009. Izany ve no sitrapon'Andriamanitra?
Mitohy hatrany ny Tanara, 2009 raikitra ny tolona hanala an-dRavalomanana, tsy niditra kosa ny FFKM tamin'ity indray mitoraka ity saingy nisy fotoam-pivavahana foana kosa mialoha ny kabary isan-karazany. Niongana ihany Ravalo ary ny nahavariana dia tonga indray ireo Mpiandry nanala ny sampy sy zavatra tsy fantatro nilevina tao Ambohitsirohitra.
Marihiko fa tsy nanaratsy ny fomba fitantanan'i Atoa Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana, Andry Rajoelina ny tenako. Ny tiako hasongadina dia ny vavaka natao tamin'izany. Nanova inona tamin'ny fitantanana ny raharaham-pirenena ny vavaka natao hatramin'izay? Ny tsapa dia lasa natao fitaovana Andriamanitra hiakarana eo amin'ny seza. Raha ny marina dia Andriamanitra no tokony hanao fitaovana ny olombelona hampiely ny vaovao mahafaly, FA TSY NY OLOMBELONA NO HANAO FITAOVANA AN'ANDRIAMANITRA MBA HAHAZAHOANA TOMBONTSOA SY SEZA. TSY ANDRIAMANITRA NO TSY MITAHY FA ISIKA OLOMBELONA NO TSY MENDRIKA HO TAHIANA. AZA GAGA RAHA LATSAKA TOY IZAO NY FIRENENA. MIANTSO AN'ANDRIAMANITRA NY VAVA SAINGY NY FO FENO FANKAHALANA SY FITADIAVANA TOMBONTSOA. IANGAVIAKO IANAREO MAMAKY AN'ITY MBA HAMPISEHO AN'ITY AMIN'IREO IZAY MITONONA HO RAY AMAN-DRENY ARA-PANAHY: SAMIA MITAIZA NY ONDRINY HO AO AMIN'ANDRIAMANITRA, ANDRIAMANITRA DIA MIDIKA FITIAVANA, ARAK'IZANY AMPIANARO NY OLONA HIFANKATIA ARY AZA MIDITRA AMIN'NY RESAKA POLITIKA NA MIVANTANA NA AN-KOLAKA IANAREO FA IZANY IHANY NO TSY MAHATAFAVOAKA NY FIRENENA. TSAROVY TOMPOKO FA POLITIKA+FIVAVAHANA=MONSTRE