Eto ianao : Fandraisana> News

Trait d Union

Nampidirin'i : raozigasy
Ny : 16/09/2010
Tao amin'ny : Kolotsaina

Ny tarika Trait d’Union dia azo adika amin’ny teny malagasy hoe « Tsipi-panohizana ».

 Toy ny tsipi-panohizana eo amin’ny fomba amam-panao Malagasy sy Afrikana. Tsipi-panohizana ihany koa eo amin’i zavakanto Malagasy  sy izao Tontolo izao.

 Na dia efa an-taonany maro aza ny mpamoronkiran’ny tarika no efa nanoratra tononkalo dia azo lazaina fa tamin’ny taona 2005 no niforonan’ny tarika noho ny fankaherezana azo avy amin’i Hamy (http://www.myspace.com/hamymalagasy), isan’ireo mpanankatno naheno voalohany ny tsanganasan’ny tarika sy ny fanampiana avy amin’i Luc (http://ra-man.skyrock.com), tamin’ny fandrindrana sy fandraisam-peon’ireo hira izay efa henontsika eto amin’ny Radio Vazo Gasy.

Fisaorana no atolotra ny tompon’andraikitry ny Radio Vazo Gasy amin’ny fanapariahana ny hiran’ireo tarika vao niforona toa ny anay.

 Ny zava-misy ara-tsosialy sy ara-toekarena talohan’ny taona 2004-2005 tany Madagasikara no isany nahatonga ny aingampanahin’ny « Rahoviana ihany ? »

 Fanontaniana napetraka, tsy misy ifandraisany amin’ny toe-draharaha ankehitriny ny hoe :

« Rahoviana ihany ity tanana ity, No mba ho tongan’ny lalamby ?

 Iaraha-mahalala fa ny tanintsika dia manankarena, nefa isika Malagasy dia mahantra na nampahantraina ny marimarina kokoa.

 Izany dia vokatry ny fanjakan’ny kolikoly ao anatiny (hita eo amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra) ary indrindra ny kolikoly ataon’ireo firenena sy ireo orin’asa vahiny amin’ny mpitondra fara-tampony, ka ny vahoaka madinika no tena mizaka ny vokany…

 Izany akory tsy manakana antsika mba hanantena ny ampitso vaovao, feno fifaliana ho an’ny taranaka any aoriana…

 « Safidy » kosa dia anatranatra ho an’ireo izay sanganehana sy sadaikatra amin’ny safidin’ny fo mba tsy ho resin’ny akora :

 “Fa na iza hanakivy,

Anao ihany ny safidy,”

                Ary mampatsiahy fa ny anjara tsy mivily…

“Tsara fiafara,

Izay tena anjara,”

 Tianay ny mampahafantatra ny mpihaino ny Radio Vazo Gasy fa mitady mpihira, miteny malagasy, monina manodidina an’i Strasbourg ny tarika Trait d’Union.

 Azonareo atao ny mifandray aminay amin’ireto mailaka ireto : mnirina@voila.fr na ra-man@hotmail.fr (amin’ny teny frantsay)

 

Hampiditra hevitra






[*] Ilaina