You are here: home> News

Valin'ny soratononina tao amin'ny RadioVazoGasy

Submitted by: raozigasy
On: 25/10/2009

Fisaorana no atolotra ireo rehetra nandray anjara mivantana tamin'ny soratononina nokarakarain'ny fikambanana Kolo Malagasy izay natao ny asabotsy 24 oktobra lasa teo tao Montrouge

Fisaorana ihany koa no atolotra ireo any lavitra izay nandray anjara mavitrika amin'ny soratononina izay niarahana tamin'i RadioVazogasy sy ny Studio Diffusion

Fisaorana ihany koa no atolotra an'i Andamioly tamin'ny feony izay nanentana ireo mpandray anjara

Santatra ambava-rano ihany ireo fa manetsa be mbola ho avy, ary diavolan-ko lava, lalao mbola ho ela koa dia manentana antsika hatrany handray anjara amin'ny hetsika iarahana amin'ny Kolo Malagasy.

Antsika ny teny malagasy ary aoka tsy avelantsika ho raraka an-tany ny hasiny sy ny satany

Ity manaraka ity ilay lahatsoratra nanaovana ilay soratononina tao amin'ny www.radiovazogasy.com izay noraisim-peo tao amin'ny www.studiodiffusion.com , samia isika mitsara sy manitsy ireo izay tsy nety. Dia raha misy hafatra sy fifanampina, na ady hevitra , na jery kiana na jery tsikera dia aza misalasala mametraka hafatra etsy ambany

Mankasitraka sy misaotra antsika rehetra

"Tiako ny teniko ka tsy avelako ho very" Raozigasy

 

Ny hanitra nentin-drazana

“Ny olombelona toy ny embok’akondro: raha manondro lanitra iray ihany, fa raha mitsontsorika samy manana holafiny.” Filazan’ny razantsika izany, ary ihariharian’ny fahalalany, fa iray mpamolavola ihany tokoa isika olombelona, saingy ny endrika no samihafa tefy. Koa na mainty na fotsy, na mavo na mena: “ Sakamalao sy havozo, ka samy mitondra ny hanitra ho azy.”

Dia tsy inona fa toe-panahy soa mampiavaka ny isam-pirenena no hanitra nentin-drazana; io no marika tsy mahavery tandindona ny ray aman-dreny teo aloha, io no lova tsy mifindra ireharehan’ny solofo aman-para ato aoriana.

Fa mba manao akory isika? hoy ianao. Ka ho hafa amin’ny olona aiza moa isika, fa ao dia ao ny hanitra mba nentin-drazantsika. Raha nisy angaha maimain’ny te-hivadi-tsoratra ka efa nihambo ankitsirano tsy ho Malagasy intsony; akofan’olona ireny ka avelao hopaohin’ny rivotra. Fa ny mbola ankapobeny, na dia niova aza ny fihetsika ivelany, dia ataoko fa tsy afaka amin’ny hanitra nentin-drazany. Saingy asa fa nokobonkobonina sy nasitritsitrika izy io hatry ny elaela, ka nataon’ny mpitazana fa dia maty sy efa nanjavona. Kanjo voasodoka ihany izy, fa tsy mpiseho toetra avy hatrany mantsy ry zareo. Ny sasany no manaitra raha vao mitranga, fa izy kosa mateza dinihina. Nofinao izay hangaroka foana ny ao am-pony, ary anefa ny ao no tena izy. Raha tsy ela nifampikasohana taminy ianao ka tena nahare ilay fitepon’ny fony, eisy, aza mitompo ho mahalala.

Nefa na dia mbola tsy nifampikasoka taminy aza ianao, izao no azonao vinanina ambony ihany: manana ny fony izy ary manana ny sainy, dia ilay fo te-ho tia sy ilay saina te-hahay. Ireo no maha-olona.

Hanitra nentin-drazana, R.P. Rahajarizafy, 1950

Comments:

1. Sylvestre Ravelot

Salama tompoko...
Mialatsiny fa misy ny indro kely hoy ny mpandrafitra:
Asa na "faute de prappe" na kosa tena diso fa " aman-para " ary tsy diso ? Tokony ho "m" fa tsy "n"...izany hoe :"amam-para"...
Misaotra.
Sylvetre RAVELOT.

Add a comment






[*] Required