Vonjy
Nanomboka tamin’ny taona 1996 ny tarika ,
nanao concert tao @ amphi théâtre Ampefiloha sady namoaka ny album voalohany
nitondra ny loha-teny hoe « tsy miova Jesosy »
Misy 18 ny isan’ny mpikambana ao anatin’ny tarika, ary mbola ao avokoa ny mpikambana rehetra hatramin’izao, fa nisy iray no efa maty.
Musiciens 5, mpihira 9 mianadahy ,mpandihy 4 mirahavavy.
- 1999 no nivoaka ny album faha-2 mitondra ny loha-teny hoe “ tarigetra tsara ny mihira”
- 2001 no nivoaka ny album faha-3 mitondra ny loha-teny hoe “ nandondona” ( marihina fa ireo album 3 ireo dia voarakitra anaty k7 avokoa ary misy hira 12 avy ao anatiny)
- 2004 no nivoaka ny album faha-4 nitondra ny loha-teny hoe “ loharanom-pifaliana” (voarakitra anaty cd sy k7)
- 2005 no nivoaka ny vcd volume 1 ( misy hira 8 ao anatiny)
- 2007 no nivoaka ny vcd volume 2 ( misy hira 9 ao anatiny)
Ny
mpamorona ny hira moa dia i Vonjy avokoa ,fa ny arrangement no iarahany miasa @
musiciens hafa @ ankamaroan’ny hira .
Ny zava-maneno tendren’i Vonjy dia clavier na piano ary guitare .
I Vonjy dia manam-bady ary manan-janaka iray.










Hevitra:
1. Randrianaritiana iandry emmanuel
Manahona tompoko
Ny ahy zany tsy hoy fanakianana fa etaheta. za manokana lo de tena tia ary mankafy ny tarika Vonjy no maharaka ny nouveaute rehetra momba ny tarika. T@ fotoana nivoahan'ny vol 1 de efa nahazo ny rakikira aho fa nisy nindra de tsy naveriny intsony ilay izy.Nohon`ny fitiavako ilay sangan`asa dembola niverina nitady ihany za nanomboka ny taona 2002 de tsy nahita hintsony mandrakan-kehitriny. Ka ny mba etahetako ary mety tsy ho ahy irery, mety misy olo-maro ko any tratra tohizany nahazo ahy izany. Mety misy ve ny toerana na mety azaona io rakikira voalohany io sa tena efa tsy amizany intsony zao ny tarika.
misaotra Tompoko de mirary fahombiazana hatrany ny tarika Vonjy ary ahatotosa hatramin`ny farany ny asan`ny Tompo.
manantena valiny mahafa-po avy any aminareo ny tenako.
IANDRY
2. RANDREMBA JAONA
manahoana tompoko
nijery Vonjy foana aho isaky ny tonga aty Antsirabe izy
rahoviana indray ny manaraka e!
3. Rado
Salut. Tena mtovy cas amin'io ol nanoratra eo ambony io ah. Ar tena mtady fa ny fanotaniko kely de oe inna avy le hira ao am vcd vol 1 sy 2 mba afaka tanisaina kely eto ve? zay de msôtra ndrindra de mazoto ar mirar soa ho anareo rehetra
4. Arivelo Rasolonjatovo
Mbô apidiro ato ra azo atao ny tondro-peo an le hira "mangetaheta", "tsy miova jessosy"....
Misôtra mialoha
5. Lanto Mahajanga
Miarahaba tompoko,
Renim-pianakaviana tena mankafy ny tarika Vonjy, na tonony na feony. Anisan'ny hira henoinay matetika ato an-trano ny hiranao. Mba mangataka raha azo atao ny solfan'ilay hira hoe "Fa tsara ny mihira" ampianarina ireo namana rehefa mivory ato an-trano.
Misaotra mialoha dia mirary soa samy hotahian'ny Tompo.
6. Vony
Te hifandray amin'i Vonjy na ny tarika ao aminy, ahoana no atao?