Koa indro savaiko amin’ny andalana vitsy ho toy ny sahondra eo ambony vato, ny momba ahy sy ny aingam-panahiko, ho endrik’izay itoerany.
Raha niara-niranga tamiko teto Iarivo ny fitiavako literatiora sy ny teraky ny fisainana, ka joko nihasolanga ny fitiavako manokana itony tononkalo itony nony tojo ity serasera ombà-namany ity aho, dia faly ny tena fa nitady toko no sendra vato,
Solofomanjato Benoro no anarana nasalotr’ i Papa sy Mama ahy.
Nahasarika ahy ho tia soratsoratra ny firaiketam-pon’ izy mivady ireo amin’ny vaky boky aman-gazety ; ka zary tànana namolavola tsikelikely ho fankamamiako ny sora-miloko io fahaliànan’izy mivady amin’ny literatiora io.
Niavaka tamin’ireny mpanoratra nandalo teo ambany masoko ireny indrindra anefa i E. D. Andriamalala sy i Clarisse Ratsifandrihamanana, na eo amin’ny fomba fanehoan-kevitra, na eo amin’ny fanajàna ny teny malagasy, na eo amin’ny fampitàna hafatra ho an’ny mpamaky ; dia faran’izay naha-po ahy fatratra ery..
Fa tsy hatao ambany maso tsy hita kosa ireo mpanoratra tononkalo sasany ato amin’ny Serasera, izay tena mendri-piderana tokoa satria tsikovoka sy fandio rano ireo, ny fomba fotsiny no samy manana ny azy, fa ny volo dia itoviana mihitsy ; ny hafa kiady, ary ny sasany voninahitra.
Ny hany teny atsipiko ho antsika mianakavy dia hoe : tandrovy tahaka ny anakandriamaso ny teny malagasy fa, tokoa, tokana aman-tany izy.
Nisinisy ihany ireo tononkalo nosoratako, hatry ny nanombohako nanoratra tamin’ny taona 1990 tany ho any, na teny malagasy na vahiny ; saingy ny omby indray mandry tsy indray mifoha, koa tsy vitsy tami’izy ireny no tsy tsaroako akory izay momba azy.
Isan’ny tena nankafiziko tamin’ireny rehetra ireny anefa i :
PIANO
Naoty vitsivitsy, misarin-tsoratsoratra
Naoty isavilian’ny rotsy matonalina
Naoty notinendrin’ny rantsako efa horaka
Naoty faingo mihanton’ny patrako isan’alina
Sinafon’eritreritra manofy ny endrikao
Hilako kalo mora, ho dihin’ny fontsika
Dia naoty feno trosan’ny tadidy miahoaho
Naoty kely monja, tomany miharo tsiky
Retsehin’ny fonao te hisarika fitia
Vetsom-pitsikian’ny molotrao manify
Rantsana madiniky ny fonao efa tia
Ireo rantsanao mitendry ‘lay naoty vitsivitsy
Patraky ny lasa, sy endriky ny « angamba »
Sento mifanesin’ny masonao mijery
‘Ty fara-vodilanitra sy habakaba-manga
Manembona ilay any… mivetso manirery
Mitendry ianao, mitendry, mitendry naoty vitsy
Mitendry ny fonao, mitendry koa fanahy
Mitendry nofinofy, mitendry ny tsy misy
Mitendry piano, rakofan’ ahiahy
Rontsonin-drantsanao hanembana any ho any
Andalan-tsoratsoratry ny naoty mifamaly
Ka vatana hany sisa nilaozan’ny fanahy
No monja koa mitendry ilay piano mpifaly
Mitendry ianao, mitendry, mitendry naoty vitsy
Naoty vitsivitsy, misarintsarin-tsoratra
Mitendry anao… mitsiky,
………..
Sy naotin’ny fitiavako vitanao an’ohatra »
Amin’ireny asa soratro ireny dia nisy ny namboatra ho hira ny sasany, àry misy kosa ireo mijanona ho amboara ihany.
Mbola miana-mandeha ihany no fihevitro ny tenako amin’ity lafiny famoronana tononkalo ity fa hataontsika toa an’ilay nahandro takatra io, izay takatry ny an-tena no atao.
Koa ankehitriny, ny tena hanateran-kira indray ve no hilaza tsy ahay mandihy ? fa dia horirika namonosan-kena re izy ity ,Tompoko, ka ho laniko mbamin’ny fonosany !
Tsindrio eto raha hamaky ny tononkalony