Fredy Jaofera

Oviana no nahalalanao sy nampiasanao izao talentanao
izao ?

Efa ela be tokoa !….Vao folo taona monja aho dia efa
nahasoratra tononkalo saingy tsy niteniteny an’iza an’iza aho. Rehefa roa amby
ny folo taona aho vao hitan’ny zandriko tsy nahy ny kahieko feno tononkalo efa
aman-jatony ( satria izahay mirahalahy niray efitrano) vao gaga izy. Nanomboka
tamin’izay vao nanitikitika ny saiko ny tsy hanafina intsony ny tononkaloko.

Inona avy no hetsika efa nataonao hahalalana ny asa
tanananao na ny hetsika nandraisanao anjara ?

1 -Izaho dia mpianatra sy Mpampianatra taranja Anglisy
tao amin’ny Institution Sainte Famille etsy Mahamasina : isaky ny tonga ny
fetin’ny sekoly isa-taona dia nanararaotra tokoa ny tenako niantsa tononkalo
iray. Fony izaho kilasy faharoa, hiboka hatrany am-baravarana ( tao amin’ny
salle de fête) ny olona nahita ahy niantsa tononkalo voalohany.

2- Tao amin’ny Génie Militaire aho no nanao
« formation militaire » tamin’ny SN. Rehefa nipetrapetraka iny izahay
SN dia nanararaotra hatrany aho niantsa tononkalo manoloana ny namana rehetra.
Misy mihitsy no nangataka fa tsy izaho no nisosososo !

3. Rehefa vita ny « formation militaire »
dia tany Antsirabe aho no voatendry hanao ny fanompoam-pirenena ivelan’ny
tafika na ny SN. Tsy ampy anay ny karamanay tamin’izany ka dia teraka ny
eritreritra hanao fampisehoana. SN maromaro izay voatendry hiasa tao Antsirabe
no nanao fampisehoana tao amin’ny FARIMBONA ( toerana fampisehoana goavana eo
afovoan-tanàna ao Antsirabe). Hira, tononkalo, hatsikana, tantara tsangana….Tsy
nisy vidim-pidirana fa rakitra no notatazana.

4-  Izaho dia
Mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra : Ao amin’ny Cercle
Germano-Malagasy izahay no miantsa tononkalo isam-bolana. Mifandimby ny fandraisan’
ny mpanoratra anjara ao. Efa in-telo aho no nandray anjara antsa tononkalo tao
amin‘ny CGM.

5- Any Antsirabe dia efa misy sampan’ny Faribolana
Sandratra. Tany koa ny tenako no niantsa tononkalo niaraka tamin’ny Faribolana
Sandratra.

6- Amin’ny maha-HAVATSA ahy, dia teny Ampefiloha aho
nandray anjara voalohany teny imasom-bahoaka tamin’ny andron’ny teny malagasy.
(Volana Jona 1991)

7. Galerie 6 eo Analakely, Espace Aro ao
Antsahavola,  Rarihasina eo Analakely,
Tranom-pokonolona eo Analakely ary Club du Lac eny Ivato no toerana nanaovan’ny HAVATSA ny fetiny ka niantsana tononkalo
rehefa tonga ny anjarako.

8- Sekoly vitsivitsy no efa notetezina nanaovana
famelabelarana mikasika ny tononkalo. Ramatoa Esther RANDRIAMAMONJY no
mpitarika anay. Ireto avy ny sekoly efa notetezina :  AMBOHIJATOVO AVARATRA /  Lycée ANDOHALO /   Saint Michel / Lycée AMPEFILOHA / Complexe
AMPEFILOHA.

9. Fiangonana vitsivitsy ihany koa no efa notetezina
notarihan-dRamatoa Esther RANDRIAMAMONJY ka nanaovana famelabelarana mikasika
ny tononkalo sy ny kabary am-panambadiana : Fiangonana Ambatonakanga /
Fiangonana Amparibe / Kolejy Teolojika Ivato / Fiangonana Isotry Fitiavana /
Fiangonana AMBOHIPO sy ny hafa tsy tsaroana intsony.

10. Tao amin’ny FAHV aho tamin’ny tolona 1991. Ny FAHV
dia ny Firaisan’ny Artista Hery Velona ( Mpihira, poety, mpanao hatsikana…).
Araka izany dia efa nandray anjara teo amin’ny 13 Mey aho, Moramanga, Taomasina
niantsa tononkalom-pitolomana ho an’ny firenena !…

11.  Rehefa misy
fanambadiana tao amin’ny fianakaviana sy ny namana aman-sakaiza dia tsy diso
anjara aho tamin’ny fiantsana tononkalom-panambadiana.

12. Ny tononkaloko dia efa re tao amin’ny FEOM-BALIHA
MAMATONALINA. Fandaharana tononkalo sy hira tao amin’ny Radio RNM isak’alahady
hariva amin’ny valo notontosain’i Ener Lalandy.

13. Ny tononkaloko dia efa nivoaka tamin’ny gazety sy
revio : ATRIKA / Matin / Midi / Hehy / Gazetiko/ Ny Mpamangy / Sakaizan’ny
Tanora / Mpanolotsaina…

14. Vahin’ny Fandaharana SALANITRA aho tao amin’ny
televizionina malagasy tamin’ny 26 Mey 1993 izay notontosain’i Louis Bernard
RAKOTOMANGA.

15. Niseho televizionina ihany koa aho niantsa
tononkalo tamin’ny fankalazana ny raibeko Fredy RAJAOFERA tamin’ny 1994.

16. Fihaonana tamin’ny poety Jacques RABEMANANJARA
teny amin’ny Oniversite Antananarivo tao amin’ny Grand Amphiteatre de l’EESDEGS
tamin’ny 24 Avrily 1992.

17. Teto Paris dia tao amin’ny FIAP aho no niantsa
tononkalo niaraka tamin’ny HAVATSA tamin’ny fananganana ny fikambanana,
tamin’ny fankalazana an’i Dox, tamin’ny fankalazana an-dRabearivelo, tamin’ny
fankalazana an’i RADO ary ny fahatsiarovana ny ROVA may.

18- Ny tenako no nikabary tamin’ny fahatsiarovana ny
rova may tao amin’ny FIAP tamin‘ny 2006.

19. In-telo tany Vichy aho, Fihaonana’ny Malagasy
isan’ny Frantsa ary efa nikabary indray mandeha tany koa.

Efa namoaka boky ve ianao na fehezan-tononkalo hafa ?
raha eny dia aiza no ahitana azy ?

Efa namoaka boky fito aho izao. Hitanao ao amin’ny
tranonkalako ireo sariny. Azonao vidiana ihany koa ao amin'ny www.bazarbe.com

Inona ny hetsika manaraka handraisanao anjara ?

Izay hetsiky ny HAVATSA manaraka.

Hafatra tiana apetraka ho an’ny mpamaky ny
takelaka vetso.serasera.org 

Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotro tamin’izao
fanadihadiana izao. Ilaina mihitsy itony hahafantarana bebe kokoa an’ireo poety
hita ato amin’ny www.vetso.serasera.org…..

http://www.freewebs.com/fredyjaofera/

 

MIRARY SOA E !