Hatramin’ny 7 taona nisiany, ny finaninanana sora-tononina
izay karakarain’ny fikambanana Kolo miaraka amin’ny mpampianatra ao amin’ny
Inalco dia nanjary isan’ireo ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny kolotsaina sy ny
teny Malagasy eto Frantsa.
Hatrany am-piandohana dia niahy ity fihaonana ity ny mpanao
hoso-doko J.A. RAVELONA, sy ny solontena Malagasy eo anivon’ny UNESCO.
Andro lehibe hihaonan’ny vao mianatra ny teny Malagasy na ny
kalaza ny fifaninanana sora-tononina. Eo koa no hahafahan’izy ireo mandalina ny
tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana miaraka amin’ireo mpampianatra
sy mpikaroka ary mpakafy ny teny Malagasy:
Atoa Pr Narivelo RAJAONARIMANANA : Linguiste,
spécialiste de la langue malgache à l'Institut national des langues et
civilisations orientales (Inalco), Paris
Rtoa Solotiana NIRHY-LANTO RAMAMONJISOA : Maître de
Conférences, Inalco
Atoa Malanjaona RAKOTOMALALA : Mampianatra ao amin’ny
Inalco
Rtoa Lanto ANDRIANJAFITRIMO : Mampianatra ao amin’ny
Inalco
Rtoa Rivolalao RAZAFINDRAZAKA : Mampianatra ao amin’ny
Inalco
Atoa François Xavier RAZAFIMAHATRATRA : Poety sy
lehiben’ny fikambanana « HAVATSA UPEM France »
« Landy » no foto-kevitry ny fifaninanana
2008. Amin’ity taona ity dia nofidinay ny « fihavanana » mba
hifandraika indrindra amin’ny toe-java-misy any amin’ny firenentsika.
Ity ohabolana iray ity dia mampifandray ireo loha-hevitra
roa ireo :
“Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana;
velona itafiana; ka ny madilana arahim-panondro”.
Koa manasa anareo izahay handinika sy haneho ny hevitrareo
momba ity ohabolana ity ao amin’ny blog http://soratonon2009.blogspot.com
Ny fifaninanana Soratononina 2009 dia hatao ny 24 oktobra ho
avy izao ao Montrouge :
Amphithéâtre Pierre DARGENT
Faculté de chirurgie dentaire
1, rue Maurice Arnoux
92 120 Montrouge
Ny fifamoivoizana avy ao amin’ny porte d’orléans :
BUS RATP : 194 - 295 : Arrêt DEPINOY
Tramway T3 : Arrêt Jean Moulin
Fandraisana anjara : 5 euros
Fandaharana :
14h00 : Fandraisana
14h30 : Kabary fanokafana
14h45 : Adina
15h45 : Fanitsiana
16h45 : Fotoana fahatsiarovana an’i Jarisoa
RAKOTOARIVELO
17h00 : Fizarana loka
Loka maro no ho zaraina. Isan’izany ny hoso-dokon’i J.A
RAVELONA.
Koa manantena anareo ho tonga maro ary izahay.
Aza misalasala manoratra anarana ao amin’ny:
kolomalagasy@gmail.com
Mandra-pihaona,
Ny mpikarakara ny Soratonon’2009