Maeva 74

Nandrianina Maevatiana no anarana nasalotro ny tenako eto
amin’ny sehatry ny kanto. Maeva74 kosa no solon’ anarana fampiasako amin’ny
fifaneraserana. “Maeva” dia teny avy any Atsimon’ ny Nosy, dia i Toliara,
tanàna nahabe ahy. Io anarana io dia mitovy hevitra amin’ ny hoe “Mendrika”,
nefa tsy noho izay heviny izay loatra no no anton’ny safidiko. Zazavavy
jejojejo kely aho fahiny ka matetika ny mpitazana no milaza hoe “Maeva anao lie
sikinao ty e!” nahafinaritra ahy ilay anarana hany ka nokoboniko tao anatiko
tsy nisy nahalala mandrapahatongan’ny fotoana nety nahafahako nisalotra azy.

Tamin’ny 19 may 1974 no nahalatsahan’ny tavoniko tao
Ilempona Gara, Antanifotsy. Noho izany dia noraisiko ny isa 74 mba hanavahana
ahy amin’ny olona maro hafa mety mitondra ny anarana hoe Maeva. Tiana  kosa no anarana nomen’ ireto Ray sy Reniko
mba ho ahy sady fiantsoana ahy amin’ny andavanandro.

Maro ny zavatra mahafinaritra ahy, toy ny mandihy sy ny
mihira; ny mahandro sakafo sy ny manandran-tsira; ny mikarakara tokantrano sy
ny manaingo azy. Ankafiziko manokana kosa ny mamaky boky tantaram-pitiavana, ny
mijery sy manaraka tantara mitohy amin’ny fahitalavitra sy ny onjam-peo.
Maromaro ihany hoy ny kamo hanisa ireo mpanoratra ankafiziko na tantara izany
na tononkalo.  Rado, Dox, J.J
Rabearivelo, Ratsimiseta Jasimina, Jean Narivony, Fredy Rajaofera, E.D.
Andriamalala, Clarisse Ratsifandrihamanana, ireo no tena masaka tao an-tsaiko,
ankoatr’ ireo hafa izay tsy voatanisako

Tsy dia mpanoratra toy ireo mpanoratra rehetra akory aho na
nianatra manokana momba ny asasoratra fa talenta nomen’Andriamanitra ahy ka
niseho sy nivoatra miandalana teo amin’ny fiainako. Fony vao nahay nanambatra
teny ny vavako dia efa tiako ny nampiresaka zavatra, toy ny saribakoly,
indrindra moa fa ny vatokely. Vao mirava avy mianatra aho dia ny hanao tantara
vato no mahamaika ahy, ka vory avokoa ny ankizy mihaino ny tantarako.

Tsy dia tsaroako akory hoe oviana aho no nandray penina ka
nanoratra. Efa mba nahasoratra tantara kely ihany aho fahiny saingy tsy nisy
voatahiry na iray aza fa verivery teny avokoa. Tamin’ izany fotoana izany dia
tsy mba nanana kahie aho nanoratana fa dia sombitsombin-taratasy hany sisa tsy
nisy soratra no nanoratako ary natambatro ho toy ny boky kely mba hovakian’
ireo namako. Nisy tamin’izy ireo no nankafy ny asa-soratro, tao ihany koa ireo
tsy nankasitraka nohon’ ny tsy fitovian-kevitra angaha.

Tsy ny manoratra ihany no ankafiziko fa ny milalao tantara
ihany koa na dia tsy teo amin’ny sehatry ny matihanina aza. Rehefa
fetin-tsekoly dia mahaforona tantara kely aho mba holalaovinay
mpiara-mianatra  teny an-dampihazo.
Tsikaritr’ ilay Masera talen-tsekolinay izany ka nampiantso ahy manokana sy
mangingina izy mba hilalao tantara an-tsehatra, dia izay no nanomboako nilalao
tantara an-tsehatra voalohany. Raha tsy diso ny fitadidiako dia tokony tamin’
ny taona 1988 tany ho any izany.

Tantaram-pitiavana sy mampihetsi-po no manavanana ahy ary
hita soritra amin’ireo tantara noforoniko. Tsikaritra ihany koa izany amin’ireo
tononkalo vitsivitsy nateraky ny aingampanahiko. Izaho dia tsy nahalala
velively fa ato anatiko ny “romantisme” raha tsy  ireo olona mifanerasera amiko no nanao
fanamarihana momba izany tamiko. Efa ao anatiko angamba izy io ary iainako isan’andro
ka izay no miantraika any amin’ny kanto foroniko.

Tato amin’ny tranonkalan’ny serasera.org no nanombohako
nampiseho mivantana sy tamin’ny sehatra lehibe kokoa ny tantara nosoratako
voalohany voatahiry dia ilay mitondra ny lohateny hoe “Rado, ilay Fitiavako
Fahiny”, izay misy fizarana 14.Tsy dia kalaza loatra aho akory satria mety
tsinjo eny ihany ny mbola mahazaza vao miana-mamindra ahy eo amin’ny
literatiora Malagasy. Ny fitiavako ny zavakanto kosa no hery manosika ahy
hivoatra hatrany sy hamoaka ny aingampanahy ato anatiko mba ho amin’ny kanto
indrindra. Koa manasa anao hamaky sy haka fy ity tantara ity ary ny tenako.

Isaorako manokana eto:

 

  • Ny serasera.org
  • Raozigasy
  • Ilay sakaiza tsy hita-maso nampazoto nisera sy nampirisika
    tokoa ny handroso amin’ ity asa-soratra ity.
  • Ilay namana tsy foy, nanampy tamin’ny toro-hevitra sy
    nampirisika ihany koa.
  • Dia ianareo namana serasera mazoto manaraka tsy tapaka ny
    asasoratr’ i Maeva.