Arison Jaha, tontolo iray hafa
“Ny fihetseham-po tsisy
valam-parihy”, izay teny vitsy izay no ahafahana milaza ny tontolon’i
Arison Jaha. Mahita fy amin’ny tsisy dikany, ary manome dikany na dia
ireo zava-madinika indrindra aza.
Tononkalo mazàna no
hanehoako ny vetsom-panahiko, indraindray sombin-dahatsoratra na
tantara, indraindray feon-kira. Tsy voafetra fa na iny
anakandriamasonao iny aza dia afaka mitondra hetsi-po goavana mety
hampangovitra ny rindrin’ny diso marina loatra.
Ny
maha-olombelona, vatana, fanahy, saina, no iodikodinan’ny peniko. Ilay
entona kely voalohany mipololotra avoakan’ny fangotrahan’ny fitiavana
teraka ka hatramin’ilay entona farany mitory ny fahataperany, dia
mahafinaritra ahy ny mitanisa azy.
Tsy dia tsaroako loatra ny
niantombohako nanoratra, nanofy angamba no marimarina kokoa, satria
hatramin’ny nahavorian’ny saiko dia efa heniky ny nofy ny sahan’ny
fahitako. Tadidiko, efa dimy ambiroam-polo taona mahery lasa izay,
tamin’izany aho mbola nianatra teny amin’ny Lycée Andohalo, dia rehefa
avy nihaona tamin’i Ramatoa Julliette Ratsimandrava, mpiandraikitra ny
Trano Fihatsorohana ny Boky Malagasy, nanehoako ny fikasako hanota boky
ireo amboaran-tononkaloko, dia nampirisika ahy izy mba hihaona amin’i
Randja Zanamihaotra mpanoratra kalaza anisan’ireo ankafiziko. Natao ny
fotoana ny asabotsy ary nomeny ahy ny adiresin-trano. Tsy tsaroako
tsara intsony, fa ny fantako dia adin-telo angamba izaho irery nitady
ilay adiresy teo Avaradoha ambanimbanin’hopitaly Girard teo. Tsy
niparitaka firy moa ny finday tamin’izany andro izany ary izaho tanora
loatra rahateo. Tsy tafahaona tamin’i Randza Zanamihaotra aho, ary
mandrak’ity ny androany dia mbola misy fanontaniana kely ihany ao
andohako hoe raha mba nitohy moa iny resak’iny?
Taona vitsy
taorian’izay dia nifindra monina taty am-pita aho. Betsaka ny zavatra
azo lazaina, saingy ho an’izay rehetra mpiodana revirevy, dia
mandrisika an’izy ireny aho hikiry hanome aina ny nofinofiny satria
izay ilay tsiro fanampy mahatonga ny fiainana hanana loko hafa. Izay
ilay fanamboarana ny vodin-trano’izao tontolo izao. Na izany aza anefa,
dia azoko eritreretina koa fa afaka miaina am-pilaminana tsy misy
nofinofy ny olona iray. Eny, malalaka loatra izao tontolo izao ka samy
afaka mahita izay ilainy. Samy manana an’ilay fiadanana tandrifin’ny
rahonany.
Ankoatr’ireo tononkalo sy asa soratra hita etsy sy
eroa, dia misy kapila mangirana niarahako natao tamin’i Tôty fony
fahavelony, revy degadegany maningotra fo, mahatsiravina sady
mahatehotia, mbetika maha-te handihy, mbetika maha-te hitomany.
BADABADA, kapila mangirana misy hira sivy mivelatra afahan’ny rivotra
sy ny masoandro mivezivezy, vitamine ho an’ny fanahy mirakitra ny
tontoloko iray hafa koa . Amin’izao fety izao dia tsy dia mahatezitra
loatra ny ampitanao azy amin’ny namana. Satria ny finamanana dia
fizarana.
Ny amin’ny ho avy dia anisan’ny fikasako amin’ny taona
manaraka io ny hanao boky iray ivalamparan’ny fitiavana, tsiky ary
hetsi-po tena izy. Ilay tsy hanadinoina ireo izay tena izy lehibe
amin’ny maha-olombelona. Am-pitiavana 24 carats no hizarako tononkalo
iray etsy ambany ho an’ny mpitsidika eto amin’ny tranokala serasera.
Indraindray
mety ho hitanao eny aho mi-slam, rehefa ampiampy lasantsy ny vam, raha
toa ianao ka handefa mesazy, dia miakàra aloha hanagno voyazy !
Ny molotrao no ranovisy
Noana anao isan’andro.
Mangitsy anao, maraina, atoandro.
Daina, aina, saina.
Feno anao ny tontolo.
Mikorina anao
Ny rako manontolo.
Heta, teta, setra.
Ny molotrao no ranovisy
N’ilay foko makovisy.
Hahaha, kiii
Tsiky sisa no azo atolotra ...
F’iny felam-bodinao iny,
Dia ho fenoiko dia-molotra ...
Mangitsy anao ilay fitiavako.
Mafana anao aho rahavako.
Aiza ? oviana ?
Omeo sopapa eny foana,
F’aleo valiako ilay “ahoana”
Aiza ianao ry tena tiako?
Arison Jaha
Arison jaha dia hitanao koa ao amin’ny facebook sy myspace ao amin’ily itiavantsika azy.