Fikambanana M'endrika

M'endrika - endrik'i Madagasikara

Fikambanana mpianatra Malagasy eto Tours i M'endrika. Tamin'ny volana
may 2008 no niforonany,ary mankany amin'ny faha-2 taonany izao 2010 izao.

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny volana febroary 2009 ny
fikambanana ary misy mpikambana 14 ao aminy.

M'endrika dia avy @ fanakambanan-teny hoe endrika + Madagasikara. Izany
hoe, fikambanana hivondronan'izay mety mahakasika ny Malagasy sy Madagasikara, avy @ lafy
valon'ny Nosy i M'endrika.

Fototra ijoroany

Ny tena votoati-pisiany dia
- ny fifanampiana eo @ samy mpianatra Malagasy (ny efa an-toerana sy
ireo vao tonga) eto Tours (eo @ lafiny fandraisana, fiainana andavan'andro,
fikarakarana taratasy maha-mpianatra, fianarana, ...),
- fikolokoloana sy fikajiana ny kolotsaina Malagasy @ endrika
isan-karazany (ny fiteny Malagasy, ny mozika Malagasy, ny nahandro Malagasy,
...).
Ahatanteraka izany dia miara-miasa @ mpiara-miombon'antoka sy
fikambanana liana ny @ Madagasikara ihany koa i M'endrika.
Raha fehezina dia io no taratr'ilay Fihavanana Malagasy tiana aseho sy
tandrovina.

Mpikambana

Afaka miditra ho mpikambana M'endrika avokoa rehefa eto Tours.
Mpianatra no maro an'isa anatin'ny fikambanana, fa mandray tanora mpanohana
ihany koa ny fikambanana.

Hetsika Tetik'asa iarahana @ sekoly any @ ambaratonga fototra mampahafantatra
an'i Madagasikara (2008), fankalazàna isan-taona ny niverenan'ny
fahaleovan-tenan'i Madagasikara, fanentanana any @ sehatry ny fikambanana hafa
miantso azy (hira sy mozika), fiaraha-misakafo Krismasy, hetsika ara-kolotsaina
fanohanana...

Isan'izany ny hetsika Fitiavana atakalo fitiavana iarahana @ tarika
Olombelo Ricky, izay karakarain'ny fikambanana @ 13 febroary ho avy izao
eto Tours (Notre Dame d'Oé), hanasàna ny be sy ny maro, na Malagasy na
vahiny. 

Tongava, tohano ny ezaka ataonay ! Ankafizo ny mozika Malagasy !

Rohy facebook :http://www.facebook.com/event.php?eid=257994221708&index=1

Fifandraisana :
m.endrika37@gmail.com