Koriam-penina... Hehinao...

...HEHINAO...

Ilay fanenon-tafontrano
danihin-johary mitataovovonana  no mozika
kanto nanaitra ahy sy nampihiratra ny masoko. Nangala-pijery tany amin’ilay
famantaran’andro lehibe teo amin’ny rindrina aho, efa amin’ny iray ora sy
sasany. Nojereko ianao, mbola feno lamin-tsaina anaty torimason-jaza. Nosafoiko
an’eritreritra ilay rirandriran’endrikao, nolaniako an-jery ilay
refim-bolomasonao nalamin-janahary ho ravaky ny handrinao.Nony farany tsy
aritro fa nosafoiko malefaka ilay takolakao. Nihiratra ianao, novalianao tsiky
ilay tsiky nohalefahin’ny foko miredam-pitia. Nomeko oroka indray ireo molotrao
roa mena fify, tarafin’ny masoandro mangarana antsefaky ny lesoka kapila ratsy
taingina.

“Amin’ny firy
izao ?”  hoy ianao. “vao amin’ny iray
antoandro” hoy aho. “Hifoha isika dia hisakafo kely, sa hifampihinana indray”
hoy ianao miangoty sady misafo ny sandriko mbola tsy tehiala am-pamihinana
anao. “ Andao ary hohanina amin’izay ilay sakafo nataonao omaly” “sady mila
misakafo isika raha mbola tehanararaotra ny fahabangan’ny trano.

Niara-niarina
isika ka izaho nanokatra ny varavaran-kazo, ianao nidina nankany an-dakozia
nikarakara ny sakafo. “Sady mbola ato ilay divay nentinao omaly” hoy ny
akom-peonao nanakoako avy any ambany rihana. “hisaika kely aho dia hidina” sady
narindriko ny varavaran’efitra.

Afaka minitra
vitsy dia niantso ianao “vita ny sakafo fa haingana ianao e, sao dia hiakarako
any dia tsy misakafo eo indray an” , “ho avy aho e” , “rehefa midina ange ianao
dia ento midina ilay findaiko azafady  e,
jereo eo an-doham-pandriana eo , na eo amin’ny manodidina eo e”. Noraisiko ilay
finday dia nidina aho.

Nomeko anao ilay
finday, nanopy maso tany ianao sady niteny an-kiaka hoe : “maty isika fa
niantso teo i dadatoa tamin’ny folo, sady izay efa imbetsaka mihitsy” sady
nohenoinao ilay hafatra tao, nikoropaka ianao sady niteny hoe “hody aloha hono
ry zareo, ka asainy mikarakara sakafo antoandro aho” “dia ahoana” hoy aho
taitra. “Dia tsy maintsy mandeha indray izany ianao ry malalako a, sady tsy
tiako ianao tratrany eto , fa hainao ihany. Ento indray ity divay ity dia eny
amoron-dranomasina no fotoana rehefa harivariva iny. Andefasako hafa-pohy ianao
rehefa hiainga ho any aho e”

Nitsifotra kely
aho sady nirinto-malefaka rehefa avy nanoroka anao. “Jereo tsara sao dia misy
entanao adino” sady nihazakazaka ianao niakatra nandamindamina ilay efitra
nanjary efitsika.

Nanao dia maika
aho namonjy ny arabe. Niampita aho dia nitodika. Indro tazako ianao eo
am-baravaran-kely mitazana sy mikopakopaka ahy, sady nampita oroka am-pihetsika
ihany. Tafitohina aho ka saika nianjera, nihomehy ianao dia nikopaka farany dia
niditra tao an-trano.  Tsy fantatro fa
izay hehinao izay koa no nifankahitantsika farany taty an-tanindrazana

Tsy dify tery
an-joron’arabe akory aho dia indreny fiara telo mirifatra nifanena tamiko. Gaga
ihany aho hoe maika ho aiza aza ireto olona. Nitodika aho, hay olona ho ao
aminareo. Sady taitra noho ny hamehan’ireto havanao, no nihomehy anaty ihany
koa hoe raha nisy kely dia tratra teo.

Nivenjivenjy
teny aho mandra-panapahako hevitra ny hijanona hisakafo. Teo amin’ilay trano
fisakafoanana teo anoloan’ny lapan’ny tanàna aho no nijanona. Niditra moramora
aho no sady nitsiky. Tsy nisy namaly anefa ilay tsikiko fa vao mainka aza teny
an’avona no setriny azoko. “tsy azo entina ato iny tavoahangy tompoko” hoy ilay
lehilahy tsy fantan-taona niteny tamiko. “tsy nieritreritra ny hisotro ity ato
aho tompoko, fa fanomezan’olona ity” hoy aho saika hirintona hivoaka. Efa teo
am-baravarana aho no  naheno feo tsy
vaovao tamiko. “Solo elabe izany ?” Nitodika aho, hay i Hanta. Niverina indray
aho sady nandingana ilay mpandroso sakafo miavonavona no nanantona azy.