SARINOFY RANDRATELO

Miarahaba anareo,

Teraka soa aman-tsara ihany ny Boky SARINOFY RANDRANTELO nosoratan'i HAJAINA. Tsy fanao ny manora-tena toy ny voatango, na manao tahaka ny ombilahy tanimanga ka ny tompony ihany no mitrena; kanefa eo anatrehan'ny asa voka-kanto vaovao tahaka izao dia tena tsy mety ny mangina ary tsy maintsy ampahafantarina ny olona ny vokatra; sao koa hananan-tsiny.

 Nandritra ny fanokafana ny HERINANDRON'NY POETY (HAVATSA-UPEM) tamin'ny talata 26 ôktôbra teo no nanehoana ampahibemaso ity boky vaovao ity. Ny Herinandron'ny  HAVATSA-UPEM moa dia hetsika fanaon'ny HAVATSA isan-taona, isaka ny herinandro farany amin'ny volana ôktôbra. Ankoatra ny fampisongadinana ireo Mpikambana ankehitriny am-perim-panoratana sy ny momba ny Sampana (Miarinarivo, Toamasina, Antsirabe, Frantsa,...) dia nomen-danja koa ireo Mpanoratra anatin'ny fandaharam-pianarana indrindra fa ireo sady Mpikambana Havatsa - Upem toa an'i Esther Randriamamonjy, RADO, DOX, IP Andriamangatiana, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, Régis Rajemisa Raolison, sy ny sisa), ary anisan'ny nasongadina mandritra izao herinandron'ny Poety 2010 izao ny fahatsiahivana ny faha 400 taonan'ny tanànan'Antananarivo (1610-2010), ka ny lohahevitra noraisin'ny Havàtsa dia ANTANANARIVO ARAKA NY FAHITAN'IREO MPANORATRA, POETY MALAGASY AZY...

Izay no ela fa indro atolotra ilay Boky vaovao:
SARINOFY RANDRANTELO.... Mandindona nofy ny firetsidretsiky ny asasoratra ao. RANDRANTELO satria ahitana tantara, teny, ary tany izany hoe SOMBINTANTARA, SOMBINTSEHO HAITENY ary TONONKALO. Mitakila 122 ny Boky ary ny Sombintantara (nouvelle) no tena mibahana ao satria miisa 10 avy hatrany. Dia miangavy fiaraha-miasa amin'ireo manana Fonenan-tsera (site web) mba hamoha trano sy hampandroso ity boky ity. Sitraka sahady!!

Ramose RANDRIAMANALINA Daniel Jules no manao ny Teny Fanolorana ary Andriamatoa RAZAFIARIVONY Wilson ,  no manao ny Ainga Takotra. Ireto ny ampahany amin'ny tenin'izy mirahalahy ao anatin'izany boky izany.

TENY FANOLORANA

Fifaliana lehibe ho ahy ny manolotra ity SARINOFY RANDRANTELO nosoratan’i Hajaina ity ho an’ny Mpamaky. Fifaliana lehibe satria, mitombo isa hatrany ny zanaky ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy mivelatra eo amin’ny tontolon’ny Asa Soratra. Raha tononkalo sy ny tantara filalao amin’ny Onjam-peo ary, indrindra, ny Kabary no nahafantarana an’i Hajaina hatramin’izay ankehitriny, indro mivoaka ity Amboaran-Tsombintantara arahin-Tsombintseho sy Hainteny ary Tononkalo vitsivitsy ity. Tsy laza masaka no itenenanana izany fa efa voaporofo: ny ampahany amin’ireo Sombintantara voarakitra ato mantsy dia efa nahazoana loka fampirisihana tamin’ny fifaninanana “Nirhy-Lanto 2006”.

 Vao mainka koa fifaliana ho ahy, ankoatra izay voalaza teo izay ny manolotra ity Sanganasan’i Hajaina ity, satria mitombo isa ny boky malagasy izay sady manabe voho ny teny sy ny Kanto malagasy no azon’ny olon-drehetra vakina ho fitaizan-tsaina sy fialam-boly.

Manantena aho fa tsy hionona amin’izay vita hatreto i Hajaina fa hiroso hatrany ary ny Mpamaky kosa ho afa-diana tanteraka eo am-pamakiana ity SARINOFY RANDRANTELO ity.
Septambra 2010 - RANDRIAMANALINA Daniel Jules  (Talen'ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy - Oniversiten'Antananarivo )

AINGA TAKOTRA

Hajaina? Olon’ny kanto maro lafy! Mamirapiratra eo amin’ny sehatry ny kabary. Izy mantsy, na dia mbola tovovavy vao herotrerony aza, no Talem-pirenena momba ny fampianarana amin’io raharaha tsy nahazatra loatra ny vehivavy io. Mpanoratra havanana, poety maranitra, mpamorona hainteny, mpanoratra sy mpandrindra ary mpilalao tantara an’onjam-peo, mpanoratra tononkira no mpamorona feony koa.(...)

Sombintantara folo be izao no indray atolotr’i Hajaina antsika miampy seho an-tsehatra ahitana dinika filôzôfika lalina dia lalina sy mafana dia mafana tahaka ny sakay kely rano ary lahatsoratra manana rafitra haiteny tsara rindra, manara-penitra, milanto sy mahafinaritra. Manginy fotsiny ny fanomezana manokana ho antsika mpamaky ireo tononkalo mikalo ny fitiavana ny tanin’ny razantsika Malagasy. Mamokatra ity zazavavy mpanoratra ity. Ary maha be fanantenana. Mirary azy hahita fahombiazana hatrany. Efa nitondra avo sy lavitra ny kolontsaina malagasy izy: Frantsa, Kanada. Efa fanta-bahoaka eo amin’io sehatra ikelezany aina io mantsy izy, ka voasa atsy, voasa ary. Tsy mbola nandiso fanantenana ireo nanasa azy izy. Ampy fahalalana hamindra ny traikefany.(...)

Fanahy iniako ny tsy namaofivaofy ny votoatin’ny tantara. Aoka ianao mpamaky no hisitraka ny tsirony! Ny hany azoko ambara, maro loko izy ireo: misy mampihomehy, misy mahatsikaiky, ny mahahontsa, ny mampivarahontsana, ny mahatorotoro fo, ny mampisaintsaina. Tsy misy kosa ny mampivonto fo aloha e!

 02 ôktôbra 2010

RAZAFIARIVONY Wilson, Ampamoha

Filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra Malagasy (HAVATSA-UPEM)

Ary inty ny tsetsatsetsa tsy haritry ny Mpanoratra eo am-panombohana

Sahia manonofy” fa raha tsy manonofy tsy afa-miroso amin’ny indray mandingana eo amin’ny ho avy. Izao rehetra izao mantsy dia vokatry ny nofy. Rehefa to ny nofy: anjaran’ilay tompom-batana ny mibitaka; fa rehefa tsy to kosa ny nofy dia anjaran’ilay tompon’ny saina ny mibaboka. Iray ihany eto ny tompon’ny vatana sy ny tompon’ny saina dia ilay antsoina hoe Olombelona. Na to na tsy to dia SARINOFY hatrany no akora fototra nahatoronina ny indray mipimaso miteraka ny ho avy. Tsy maintsy ny saina aman’eritreritra izay ondana amam-pirakotra ho an’ny nofy no antony.

Raiso ao an-tsaina àry ny SARINOFY RANDRANTELO. Sarinofy ho ahy tia setrasetra ka mitsofoka an-keriny tsy misy fierana ao anatin’ny fisianao; Sarinofy ho ahy tia sotasota ka miditra am-pahasahiana any anatin’ny finoanao… Etsy an-daniny, aoka hazava ary averiko indray: Andriamanitry ny asa sorany ny Mpanoratra. Hovelomiko ny oloko, hovonoiko izy avy eo, hatsangako, hampijaliako, safosafoiko… ho inonao izany? Aoka ny tsanganasako sy asan’ny saiko ho adidiko irery ihany… ny anjaranao kosa? Miombona na tsia fotsiny ihany!

Ny Mpikiribiby amin’ny hevi-dombo, hono, dia mendrika trobarana hevi-maranitra mba hanindrona azy. Eny e, aza tsiny indrindra! Mbola mba Malagasy fisaina ihany isika, ka aza matahotra fa tsy hitantarako biby manangatra any anatin’ny Sarinofy maizina ianao . Izany rahateo no anton’ilay RANDRANTELO izay matetika voalazan-dry zareo mpandinika hoe maha izay azy ny Firenena dia ny Tantara, ny Teny ary ny Tany… Koa dia efaiko ho an’ny Tantara, ho an’ny Tenin-drazana, ho an’ny Tanindrazana izao SARINOFY RANDRANTELO izao. Raiso… misaotra anareo tsy ankanavaka lehireto!

Nitaky ezaka goavana ho an'ilay Mpanoratra ny namoaka ity boky ity, nitaky herin-tsaina sy herim-batana nijalijaliana mafy tsy nahandriana andro aman'alina, vokatr'izany: olombelona ihany, tsy ihamboana ho tonga lafatra ny hita ao, mety hisy ny madilana hotentenina. Ilay mpanoratra irery ihany rahateo no niantoka ny famoahana (auto-édition)!! Isaorana Andriamanitra amin'izay vita.

 ... Efa azo jifaina ao amin'ny Tahala RARIHASINA nanomboka tamin'ny Talata teo ary hiparitaka any amin'ireo trano Fivarotam-boky eto Antananarivo Renivohitra amin'ny Herinandro ambony. Azo atao koa ny mifandray mivantana avy hatrany amin'ny Mpanoratra

Ny BOKY? Natao hikolo ny saina, hanovozam-pahalalana ary indrindra natao hialana voly.

Tohano amin'ny alalan'ny fitiavanao mamaky ny Bokiny ireo Mpanoratra Malagasy ankehitriny, mba ho antoky ny fahaveloman'ny teny sy hampandrobona lalandava ny LITERATIORA malagasy.

Mazotoa mamaky Tompoko!

 

 

 

.