AORN

AORN na Andriankaja Oelison Robin Narivelo na indraindray mitondra ny anarana hoe Andriankaja Rina, dia teratany Malagasy, teraka tao Befelatanana. Manambady ary manan-janaka roa, mipetraka ao Amboditsiry.

Ny taona 1990 no nidirany tamin’ny fikambanana tanora iray tao amin’ny Ecar Manjakaray, ary herintaona taorian’izay dia voafidy hitondra izany fikambanana izany izy nandritra ny 10 taona.

Tao anatin’izany fotoana izany no nianarany ny mozika (ny solfa sy ny solfezy) tamin’ny sehatra maromaro. Nisy ihany koa ny fifampizarana traikefa tamin’ny groupe ara-pilazantsara hafa.

Isan’ny angady nanana tamin’ny fijoroan’ny groupe ara-pilazantsara tao amin’ny haino aman-jery iray ny tenany, izay nitondra ny anarana hoe Tena Tsara Ianao (na TTI groupe).

Isan’ny efa nifampizara traikefa ihany koa tamin’ny groupe iray mpiangaly Gospel izay nahatratra membre miisa 200 mahery tao amin’ny Cercle Germano Malagasy.

Ankoatra izay, dia mbola mpihira ao amin’ny tarika ara-pilazantsara ATM (Antsan’ny Trinite Masina) ihany koa izy ary mitana ny feo faha-3

Mbola isan’ny mpamorona ny hiran’ny Chorale Feon’Anjomara Vaovao izy, sady mpandrindra ny feo ihany koa, no mbola mpampianatra hira mandraka ankehitriny.

Mbola mamoron-kira ho an’ny hafa sy izay mitady izany koa I AORN ary isan’izany ny hira fanevan’ny ministera iray mikarakara ny fiarovana ny biby eto an-drenivohitra sy ny hira fanevan’ny Sida amina orinasa iray.