Resadresaka tamin'ny Groupe Tsidika

 

Araka ny nampanantenaina dia nifampiresaka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny G.A.T.T. izahay, Groupe Tsidika izay fantatry ny maro amin'ny famoahana horonantsary sy kapila mangilatra mirakitra tantara  mampihomehy sy mampieritreritra. Anisan'ny sangany sy efa lasa lavitra amin'ny famoahana tantara ry zareo ao amin'ny Groupe Tsidika ka toa izao ny resa-dresaka nifanaovana tamin'ny mpikambana.

Inona no tena mba itiavanareo ny « hatsikana » ? Efa talenta ve sa nianarana ?

Tinah: Fifaliana ho ahy ny mahita ny olona falifaly noho ny zavatra ataoko. Izaho koa mahatsiaro sambatra ery rehefa mahita sy mijery hatsikana. Azo lazaina hoe talenta ihany fa nampitomboana tamin’ny alalan’ny fianarana, izany hoe mbola niampy “formation” samihafa.

Nifaliana: Ho ahy indray dia mahafaly lalandava ny hatsikana. Tsy talentako velively ny fanaovana hatsikana, ary mbola mianatra ny fanaovana azy foana aho hatramin’izao.

Fanja: Tiako ny hatsikana, toy ny zavatra tiako rehetra sady ilain’ny fiainana ihany koa ny tsikitsiky sy fifaliana. Ary ny tsiky dia mifanohitra amin’ny alahelo, hatezerana. Efa talenta no sady nohamafisina sy nohatsaraina tamin’ny fifampizarana traikefa.

Stéphanie: Izaho indray aloha tsy dia tena hoe tia fa milalao tantara an-tsehatra (théâtre) no tiako hatramin’ny fahakeliko ka izany no nahatonga ahy hiditra mpikambana tao amin’ny Groupe Artistique et Théâtral TSIDIKA. Tsy talenta voajanahary amiko ny mampihomehy fa nivoatra tsikelikely tamin’ny alalan’ny filalaovana tantara.

Inona no tena tsy tianareo indrindra amin’ny zavatra nataonareo tato amin’ny tarika ?

Nifaliana: Tsy dia mazoto loatra aho rehefa ny vadiko ihany no sakaizako na vadiko ao anatin’ny tantara holalaovina.

Tinah: Ny ahy ny tsy tiako dia ilay manao fitafiana fohy kely toy ny zipo fohy na short fohy mampidera fe, nefa raha ilaina dia atao e !

Fanja: Tiako daholo. Sady tsy ny tiana anie no zava-dehibe fa ny hafatra ampitaina amin’ny olona e !

Stéphanie: Tena tsy tiako ilay manao ratsy fanahy, manambany na mampijaly olona ao anatin’ny tantara  lalaovina.

Inona no tena tianareo ka nahafaly anareo foana ?

Tinah: Ny manao tournage satria miara-mifaly sy mikorana ary tena fialan-tsasatra mihitsy ny fandraisako azy.

Nifaliana: Ny tena tiako dia ilay sarimihetsika « Tantely amam-bahona »

Stéphanie: Ny ahy ilay manao fampisehoana any amin’ny faritra na faritany hafa ivelan’i Fianarantsoa izay toerana ipetrahako sy ny mijery ny sarimihetsika vokarinay rehefa vita kapila.

Ahoana hoy ny vady aman-janaka rehefa nalaza ianao ?

Nifaliana: Malaza daholo izahay mivady satria samy mpikambana ao anatin’ny Tarika Tsidika. Faly sady mirehareha amin’izany ilay zanakay voalohany amin’ny ankapobeny (9 taona izy), saingy sorena koa izy indraindray rehefa diso adalain’ny ankizy namany. Ilay zanakay faharoa kosa matahotra mijery ny sarimihetsika vokarin’ny Tsidika (4 taona izy), tsy fantatray ny tena antony.

Ahoana no fijerin’ny olona anao eny an-dalana ? 

Fanja: Mitovy amin’ny olona rehetra eny an-dalana eny. Fa tsy miala amin’ny mpanakanto moa ny antsoin’ny olona sy ny adalain’ny olona, indrindra raha somary hafahafa (adala, mpangalatra, …) no nahitany ny tena tamin’ny fahitalavitra. Misy moa ny olona sasany dia mamerina izay zavatra nataon’ny tena mihitsy.

Tinah: Betsaka ny manadala eny an-dalana. Eo ihany koa ny mankasitraka ka miarahaba mihitsy aza. Misy koa anefa ny mahagaga : ny olona sasany dia miandry arahabaina ka rehefa tsy miarahaba azy aho dia ataony hoe miavona, nefa tokony izy mahalala ahy no miarahaba voalohany dia mamaly fotsiny aho. Raha arahabaina no tsy mitsiky na tsy mamaly dia izay no miavona amiko.

Stephanie: Betsaka ny mananihany sy miantsoantso fa tsy atao mahatezitra izany. Maro ihany koa no tsy mino ka manontany hoe “ianao ve ilay manao Tsiky tsidika ?”, satria hafa mihitsy ilay olona hitany amin’ny fahitalavitra miohatra amin’ilay hitany eny an-dalana.

Mahavelona ve ny asan’ny mpampihomehy eto amintsika ?

Tinah: Raha eto amintsika no resahina dia tena tsy mahavelona fa tsy maintsy asiana vadin’asa eny ihany.

Fanja: Tsy mahavelona ary tsy natao hivelomana fa natao hitaizam-batana sy fialamboly e ! 

Stéphanie: Tsy hoe ny asan’ny mpampihomehy no mahavelona fa ny famokarana sarimihetsika sy ny fanontana azy amina VCD na DVD raha toa ka fongana ny piraty.  Tsy dia mbola azo antoka izany eto amintsika ka ho ahy manokana dia tsy ataoko asa fivelomana io fa raisiko ho fampandrosoana sy fitaizana ny hafa sy ny tenako ihany koa ka samy mahazo tombontsoa na izaho na ny vahoaka. 

Inona no atao hoe « kanto » sy « mpanakanto » ?

Stéphanie: Ny atao hoe “kanto” amiko dia zavatra tsara sy mahafinaritra ny maso sy ny sofina, tsy manafintohina, misy dikany mazava, voarindra sy voakajy hifanaraka amin’ny fiaraha-monina, ary indrindra indrindra TSY MAMOAFADY. Noho izany ny “mpanakanto” dia ireo izay manao zavatra “kanto” araka io fanazavako io. Ho ahy manokana dia tsy azo lazaina hoe mpanakanto daholo rehefa mpihira na mpandihy na mpanao asa tanana, sns satria maro no tsy tafiditra ao anatin’io famaritana nataoko io.

Tinah: Tsara, meva ary nokoloina no atao hoe kanto. Ny mpanakanto izany dia olona mikolokolo ny sangan’asany sy ny talentany mba ho tsara sady meva. 

Nifaliana: Ny « mpanakanto » dia olona mamokatra sady maneho zavatra voakajy sy manana endrika mahafinaritra ka manintona ny fo sy ny sain’ny hafa. 

Fanja: Amiko, ny kanto dia midika hoe soa, mahaliana ny maso, mahafinaritra ny saina, mahasambatra ny vatana. Noho izany ny mpanakanto dia izay afaka mampita ny kanto any amin’ny vahoaka.

Ahoana ny fahitanareo ny kanto malagasy : hatsikana, hira sy mozika ?

Nifaliana: Tsy mena-mitaha tokoa ny vita malagasy rehefa voakaly tsara, ary hafa ihany ny zava-kanto manasongadina ny tena maha malagasy. 

Tihan: Betsaka ny kanto malagasy no lasa tsy zarizary fa toa lasa mifanenjika samy te-hanao fotsiny, hany ka lasa maniry toy ny anana fa tsy voatondraka, izany hoe mirotsaka manao daholo ny rehetra ka tsy voahaja intsony ny maha-kanto azy. 

Inona no hafatra mba tianareo hampitaina amin’ny mpakafy sy ny olona te hampihomehy ny mpiara-belona aminy ?

Stéphanie: Misaotra sy mankasitraka ny mpankafy rehetra ary manentana mba tsy hanjifa ny piraty satria sarobidy ny sangan’asa ary anisan’ny fanohanana sahady ny mpanakanto ny fanajana an’izany. Mamporisika an’ireo izay manan-talenta hanatevin-daharana ny mpanakanto malagasy ka mba hampiseho ny tena “kanto” ho reharehan’ny firenena.

Tinah: Misaotra anareo mpankafy ny tenako ary mirary koa raha mirary ny hanohananareo anay amin’ny alalan’ny fividianana ny sangan’asanay orizinaly hatrany. Ho an’ireo izay te-hampihomehy indray dia izao : ilaina dia ilaina tokoa ny fihomehezana amin’izao fiainana sarotra izao, indrindra moa fa maha tanora lalandava ny fitsikiana, nefa tsarovy fa tokony hisy anatra ihany izy ireny, ary ny rehetra dia tokony hihomehy daholo hatramin’ny zazakely ka hatramin’ny antitra indrindra, noho izany dia tsy tokony hasira ny fampihomehezana. Sady tsy voatery ny teny ratsy na zavatra ratsy ihany anie no hampihomehy e fa ny tsara koa. Ny tsara “amin’ny le oui” fa ny masira “amin’ny le non”.

Nifaliana: Misaotra anareo mpankafy, ary mazotoa manjifa ny zava-bitan’ny Tarika Tsidika. Ny zavatra iainana andavanandro no tena tsara trandrahana hampihomehezana ny mpiara-belona, ary asiana hafatra fanabeazana mandrakariva ao anatiny.

Fanja: Ho antsika mpankafy sy ny olona te-hampihomehy ny mpiara-belona : Misaotra anareo. Aza manao zavatra mivaona amin’ny maha olona sy ny fiaraha-monina. Dia izay eny moa. Viloma aby !