Nivoaka ny "Raki-kira" voalohany ny tarika NJATO.

Nivoaka soa aman-tsara tamin'ity volana Jolay ity ny raki-kira voalohany ny tarika NJATO.
Mirakitra hira 10 izay ahitana sokajiny maromaro ary samihafa tokoa. Na izany aza anefa dia mibahana kokoa ny "Begina" izay mifanakaiky kokoa amin'ny "Zouk". Hita ao na ny milantolanto na ny mihetsiketsika. Ireo tonony moa dia efa azo jerena ao amin'ny "Tononkira" SERASERA, anisan'izany ny TATRANAO - SAMY MAMELON-TENA ary ny AVIA CHERY izay efa heno sy hita matetika amin'ny haino aman-jery eto an-drenivohitry Gasikara amin'izao fotoana izao.
 
Raha ny momba ny fandaharan'asa dia tsy mbola misy azo ambara firy fa ny zava-dehibe dia ny mampahafantatra ny zava-bita sy ny vokatra.
Mampanantena kosa anefa izahay ny tsy hitsahatra ny hanome vaovao eto amin'ny SERASERA hatrany.
 
Raha ny momba ny Raki-kira dia efa azonao jerena ao amin'ny Super Music Analakely.