Skual

I Rakotonirina Mamy
Thierry izay mitondra ny solon'anarana hoe "Skual" dia teraka Tao
Namontana ny 23 Fevrier 1993. Nianatra
tao amin'ny sekolin-dry masera kolejy Sainte Chantal Soanierana izy hatramin'ny
kilasy 3ème , ary nanohy tao amin'ny Lycée Modèrne Ampefiloha hatramin'ny
kilasy famaranana.  Ankehitriny
dia taona faharoa ao amin'ny "Université Privée de Madagascar" izy
amin'ny sampana fifandraisana.

Ankoatran'ny
fanoratana tononkalo dia ahafantarana azy koa ny fiangaliana ny mozika
"Rap"
Tamin'ny
taona 2005 i Skual no nanomboka nanoratra saingy nataony ho fanalàna andro
fotsiny izany ka izay rehetra voasorany dia very momoka avokoa. Ny
taona 2008 kosa izy vao nahatsapa ny lanjan'ny asa soratra ka nanomboka
nitahiry ny tononkalo nosoratany.
35 eo
ho eo izao ny tononkalony ka ny roa amin'ireo dia miendrika sombin-tantara kely. Mieritreritra
ny hamoaka ny bokiny voalohany izy ato ho ato. Boky
mitondra ny lohateny hoe: ANTEMA

"Antema"
dia anisan'ilay tononkalo miendrika sombin-tantara iray ao anatin'ny boky.

I
George Andriamanantena no mpanoratra ankafizin'i Skual indrindra saingy fantany
fa tsy ho Rado mihintsy izy. Mbola kely sy vao miana-mamindra mantsy izy raha
ny lafiny Asa soratra.
Mampiavaka
ny asa sorany kosa ny fiompanana be dia be amin'ny vanim-potoana ankehitriny sy
ny fampiasàna voambolan'ny tanora

Tanora
izy;Tanora fisainana,tanora fiteny, tanora fanoratra ary ambeti-teniny ny hoe:
"Tsy
manery ny aingam-panahy aho fa teren'ny aingam-panahy"

HANORATRA HO ANAO

Hanoratra
ho anao aho
f'
izao aloha no fepetra
Aoka
isika tsy hifandao
fa
ireto no mitoetra:

Finoana,fanantenàna
indrindra
ny fitiavana
Mifanohana
mazàna,
Mifanitsy
koa rahavana!

Hanoratra
ho anao!
Izay
no tarigetrako
Anefa
kosa mitalaho
aza
itarafana ny toetrako

Fa tsy fidiny ho ahy
ny
hanoratra tsy tapaka
Satria
ny aingam-panahy
tsy
mifidy izay harapaka

Hanoratra aho ho anao!
fa ity
koa no tandremo
Ny
mangidy Itsakitsaho,
ny
mamy ihany no atelemo

Hanoratra aho, tsy hanenina
Ianao
koa mahavita!
Ny
talenta aza afenina
Avoahy
re mba ho hita

Skual