Taona vaovao sy vaovaon ny taona

...
Taona vaovao sy vaovaon'ny taona
...
Voalohan-teny dia TRATRY NY TAONA,
Na mpinamana isika na mbola tsy nihaona
Dia ny soa rehetra eto anivon’ny tany,
No iriko hiraraka ho anao hatrany
...
Ny faharoa dia milaza vaovao,
Ankoatr’ity taona zaraiko aminao
Dia misy ireo HETSIKA sy VINAVINA,
Atolotra ho anao sao ianao mba liana
Ny HETSIKA, dia ho avy tsy ho ela,
Efapolo andro eo no sisa tavela
Ka ny loha-hevitra atolotra anao ,
Mamy dia mamy, “ SATRIA TIAKO IANAO” 
...
Tononkalom-pitia no antsaina an-tsehatra,
Redam-po mijoala, no loko adorehitra
Arahina dihy, sy seho kasikasy,
LAMAKO : mozika, tena bà Malagasy
...
Handravaka azy hosotra an-doko,Hiavaka toerana, fa kanto an-tsitoko
Ireo kisarisarim-pitia ange hevero,Fa asondrotry ny sangan’asan’i VERO 
...
Izany hetsika izany no enti-mitety, Maro ireo mpikarakara no efa mety
Ka ho avy Raozigasy handom-baravarana, Ny aty Frantsa no loha-laharana
Ny VINAVINA efa mby an-dalana, ANTSA SY HAFATRA, atao voan-dalana
Fa hanao tononkalo ho anao manokana, I Raozigasy fa hanoraty mitokana
...
Ireo voka-teny natolotra ireo, Dia azo ZARAINA amin’ny ONJAM-PEO
Indrindra moa azo ametrahana HAFATRA, Antsain’i HOLY am-peo kanto sy lafatra
Raha toa moa ianao ka maniry, Azo omena an-kapila mba ho tahiry
Ho fahatsiarovana, tsy ho tontan’ny ela, Sy fanomezana mba ho tavela
...
Raha hihaino an’onja, izaho mamporisika : “ANTSA AN’ONJAM-PEO” ao amin’ny RADIOBITSIKA
Fa ny voalohany indrindra efa fantatrareo, RADIOVAZOGASY , amin’ny “INDRAM-PEO”
Izay fanazavana manitika anao,Dia hanontanio, ary koa angataho
Fa vonona hatrany anie Raozigasy, Hizara aminao ny TENY MALAGASY
Dia aza misala koa manaparitaka, Ho an’ny namana rehetra am-paritaka
Fa izay no mahatsara ny serasera, Mifampilaza ny soa sy ny kanto tsy an-kiera
...
Dia izay ny vaovao ankoatry ny taona, Ny tohiny an-tsera eto isika no mihaona
Dia mbola manantitra foana ho anao, NY FIRARIAN-TSOAn’ity taona vaovao
...
Raozigasy 01/01/2014
raozigasy@gmail.com