Tahiry sy Tiana, fanambadiana mitahiry ny maha Malagasy

Mpivady vao nanaitra ny mason’ny maro i Tahiry sy Tiana tamin’ny fankalazana ny fanambadian’izy roa izay nataony tamin’ny fomba malagasy tanteraka. Teny Mahitsy no natao ny fankalazana tamin’ny voalohandohan’ny volana marsa teo. Ankoatra ny fitafy izay malabary ny an’i Tahiry ary mitafy lamba kosa i Tiana dia sakafo malagasy ihany koa no naroson’izy ireo ho an’ny mpanotrona. Ny fanapahan’izy mivady ny koba rahateo no namaranana ny lanonana nasolo ny fanapahana mofomamy.

 

Ny tanjon’izy ireo tamin’ity fankalazana miavaka ity dia ny mba hamerenana indray ao an-tsain’ny tanora, indrindra ireo izay miomana amin’ny fanambadiana, fa tsy ambakan’ny fomba hafa ny fomba malagasy. Mendrika sy mbola ankafizin’ny olona nefa tsy voatery handany be. Anisan’ny vato misakana amin’ny firosoana amin’ny fanambadiana ho an’ny maro tokoa mantsy ny fandaniana. Koa sady vahaolana amin’izany no kanto rahateo ny fampiasaina ireo tena maha malagasy.

 

Tsy tongatonga ho azy izao dingam-pianana miavaka nataon’izy roa izao fa nivoaka avy amin’ny fanabeazana Kristianina izay azony sy iainany. Fijoroana vavolombelona ho an’ny hafa rehetra izay te hanaraka ny diany.

 

 

Sary nalaina tao amin'ny Facebook-n'izy mivady