Hetsika tsy ara-potoana ho fanamelohana ireo mpitatitra amin'ny 'taxibe'

Tamin'ny dobodobok'amponga no nifamotoanan'ny mpiserasera tamin'ny tambazotra sosialy androany, nanao hetsika fanairana sy fanamelohana ny haratsiam-pitondrantenan'ireo mpamily "taxibe", taorian'ireo loza nahafaty olona (zaza ny ankamaroany) omaly iny. Toa zary mateti-pitranga manko ny loza toa itony noho ny hadisoan'ny mpamily ka mahatsapa ireo mpisera fa tonga ny fotoana hitroarana, hanehoana hatezerana sy hangatahana fahatongavan-tsaina sy fandraisan'andraikitry ny isan'ambaratonga.

Noho ny hateren'ny fotoana angamba no somary nahavitsy ireo tonga nanohina ny antso teny Ambohijatovo sy Andohan'Analakely, mety teo ihany koa ny tahotra ny herim-pamoretana "kanefa tsy tokony atao sakana izany", hoy ny namana Maminirina.

Sary nindramina tao amin'ny namana Foutsie Totsy :