'Massavana', ainga reggae atolotr'i BI.BA.

"Massavana" no fanomezana atolotr’i BI.BA (Bingy
Band
), ho antsika nanomboka tamin’ny volana mey teo.

Massavana dia isan’ireo andevo 150 nentin’ny sambo Meermin
niala tany Toliara mba hamidy amin’ireo voanjo mpanjanaka tao  Afrika atsimo tamin’ny taona 1766, ary nitarika
ny fikomiana tanatin’io sambo io, niady ho an’ny fahafahana. Ny herim-pon’i
Massavana no nanome aina sy ainga an’i BI.BA ka nahatanteraka ity rakikira
vaovao ity.

Tsy avy any Jamaika akory izy na dia bàn-kira reggae aza no
manavanana azy, fa misy gadon’ny ranomasimbe indianina, misy an’i Madagasikara nosy
fiaviany ihany koa amin’ireo hira 14 voarakitra ao.

Vokatry ny fiaraha-miasa 
tamin’i Roberto Sanchez, mpamoron-kira espaniola no nahatontosana azy
ity. Ary manome endrika sy loko mampiavaka azy ny feon’i Benjamin Casimir amin’ny
hira sasantsasany sy ny fitendry zavamanenon’ny Lone Ark Riddim Force.

Azonareo atao ny mitsidika ny pejin’i BI.BA Band izay
hahitana ny vaovao rehetra momba ny fanjifana ny kapila.

Ny RadioVazoGasy kosa dia mirary soa azy hatrany anatin’ny
kanto. Jah bless !