Maripankasitrahana 'Standout Woman Award' ho an'i Edith Jaomazava

Isan'ny vaovao mahafinaritra sy ireharehan'ny Malagasy monina eto Italia sy i Madagasikara iray manontolo ny nanolorana mari-pankasitrahana an'i Edith Jaomazava omaly alarobia 5 oktobra teny amin'ny Antenimiera (Camera dei Deputati) teto Roma.

"Standout Woman Award" ho an'ny andriambavilanitra vitsivitsy notsongaina tanatin'ireo maro be misahana adidy sy andraikitra isan-tsokajiny izy io (fa nisy andriandahintany iray nahazo fankasitrahana manokana ihany koa tao, ankoatra azy 21 mirahavavy). Dokotera mpikaroka, filohan'orinasa, mpitolona isam-pikambanana,  reny ao an-tokantrano, relijiozy, mpanao fanatanjahantena, manampahefana manao fanamiana, mpanao mozika, sns. Vehivavy miady, mitolona, mioitra na mbola eo aza ny fanavahana, ny tsindry ary ny fiheverana fa misy anjara toerana  sy andraikitra mety tsy mendrika ny vehivavy.   

Isan'izy ireo i Edith Elise Jaomazava, izay mampanentoento ny hanitry ny lavanila sy ireo hanitra fanao laron-tsakafo mampalaza an'i Madagasikara. Ao Turin no misy ny foibeny, Signora della Vaniglia, na Andriambavilanitry ny Lavanila, no anaram-boninahitra nomen'ny tompontany eto azy. Vehivavy miady amin'ny fiainana, niaina tanaty fahasahiranana toy ny ankamaroan'ny malagasy izy saingy nahay nanararaotra ireo lova navelan'ny razany dia ny fahaizana mikarakara ny lavanila, manomboka amin'ny fambolena, fiotazana, fikajiana mba ho mendrika sy eken'ny tsena iraisam-pirenena ny hatsarany ka hatramin'ny fanondranana azy aty ivelany. 

Tsy izay ihany anefa fa raha nahatsapa tena fa nakarin'ny vintana izy ka tonga amin'izao toerany izao, dia tsy nanadino koa ny mpiray tanindrazana aminy izay mbola anaty fahasahiranana, ka noraisiny ho adidy ihany koa ny fikarakarana zaza 600 any amin'ny tany niaviany, any avaratry ny nosy any. 

Renim-pianakaviana izy, manan-janaka 4, ary ity Maripankasitrahana ity dia natolony voalohany indrindra ho azy 4 mianadahy, ho azy 604 mihitsy hoy izy satria zanako avokoa ireo, ho an'ny vehivavy afrikana rehetra izay tsy manaiky ho resy fa miady hatrany na eo aza ny setrasetra isan-karazany, ho an'ny vehivavy italianina ihany koa satria vehivavy daholo isika hoy hatrany izy, ary tsy moramora ny fiainantsika.

Nanotrona sy nanome voninahitra azy tamin'izany moa ireo Zoky Raiamandreny ao amin'ny masoivohon'i Madagasikara eto Roma, notarihin-dramatoa Helinoro TIANAMAHEFA, Mpiandraiki-draharaha (mbola tsy manana ambasadaoro moa isika eto Italia) sy ireo namana akaiky eto Roma, satria voafetra ny isan'ny olona voaasa hanatrika izany.

Mankahery sy manohana azy hatrany isika amin'izany andraikitra sahaniny izany, satria ny tombontsoa dia tsy ho azy irery fa ho an'ny firenana malagasy ihany koa. Ary miarahaba, mandray tànana azy amin'izao vonihahitra natolotra azy izao. 

Mahaleova, mahalasàna, mandrosoa hasina, Edith !

--------
Raha hijery ny sary vitsivitsy tamin'io fotoana io : TSINDRIO ETO

Ity kosa ny horonantsary fohifohy nandritra io fotoana io :