#ResimpitiaChallenge

 

 

Efa am-polony maro - mety efa an-jatony aza izay - ireo nandray anjara tamin'ny lalao  #resimpitiachallenge nentanin'i Shyn ao amin'ny facebook : fampisehoana sy fizarana horonantsary eo am-pihirana na am-pandihizana ilay hiran'i Shyn nivoaka vao tsy ela hoe "Resim-pitia".

Efa ho tapa-bolana izay no nanombohany fa dia mbola maro ny mandray anjara hatramizao - na i Shyn aza angamba tsy nanampo ny akony toa izao. Tsy ireo mpankafy sy mpanaraka an'i Shyn fotsiny no nanezaka, nibaboka fa resim-pitia cheeky, fa ireo izay "voadona" tamin'io hira iray io koa, hatramin'ny ireo tsy nahay azy akory aza dia roboka nitondra ny anjarany hany ka nahay ilay hira ho azy teo. Tao ny nihira na nandihy irery, tao ny niaraka tamin'ny namana, ny zanaka, ny fianakaviana. Nisomadodoka daholo ny avy amin'ny lafy valon'i Madagasikara sy ny zanaka am-pielezana aty dilambato.

Porofo izao fa tsy artista fotsiny i Shyn fa mahay mifandray amin'ny olona tokoa, ary midera azy fa dia vitany ny misaotra sy mankasitraka tsy nisy fiangarana izay rehetra natolotra azy tamin'ity hetsika ity. Dia mirary fahombiazana ho azy hatrany eo amin'ny sehatry ny kanto malagasy.

 

 

Rondro Volantsoa