Karibo anarô fa Zaman'i Jao hitondra koragna.

 

Vao ampahaefatry ny taonjato fotsiny izay no nodiavin'i Fabio Tignony - na i Momo Jaomanonga eo amin'ny sehatry ny zavakanto - kanefa dia tsy ambaka noho ny an'ny andrarezina ny asa sorany. 

Mandranto fianarana any Maroc izy ka mahatsapa tsara izany miala tanindrazana izany satria tsy paradisa no vantanina. Maro ny zavatra tiany tantaraina, ny hafatra tiany ampitaina momba ny fiainana andavan'andro amin'ny maha mpila ravin'ahitra any ivelany, momba ny fahitany ny fiainana any an-tanindrazana ihany koa ary ananany ny talenta hamoahana izany ka nanosika azy hanangona ireny ho lasa boky.

Nisalorany ny lamban'i "Zaman'i Jao", tovolahy lasa nitady fari-piainana tsaratsara ao Mayotte, ka noraiketiny ho boky ireo "Taratasy" alefany ho an'ny havana aman-tsakaiza. Ao ny mahatsikaiky, ny mampalahelo, ny mampisaina ary samy mandray hafatra daholo na ny sarababem-bahoaka na ny mpanao politika na ny artista, sy ny sisa. 

Amin'ny maha-zanak'Ambanja azy dia amin'ny fiteny antakarana ireo asa-sorany, tsy dia be sarin-teny fa mahitsy sy mazava ary mitsatoka tsara ka tsy mahamonamonaina.

Koa aza misalasala manjifa ny "Taratasin'i Zaman'i Jao" fa zavadehibe ny fanohanana ny mpanakanto. Azonareo atao ny :

- manoratra ho azy mivantana ao amin'ny tambazotra facebook : Momo Jaomanonga - Zaman'i Jao 
- mandefa mailaka amin'ny : jaomanonga@gmail.com 
- miantso ny finday : 033 73 477 93 (raha ao Antananarivo) na 032 93 293 11 (raha any ivelan'Antananarivo)

 

Mandrosoa hasina, Jaomanonga !

 

 

Rondro Volantsoa