JS_Twins manolotra antsika ny hirany voalohany.

 

Nanomboka tamin’ny tapaky ny volana jolay teo dia i “Avelao” an’i  JS_Twins no hira re sy hita ombieny ombieny eo anivon’ny tambazotra sosialy. Ilay gadona dancehall miharo zouk dia toa milaza avy hatrany fa nosy no fihavian’ izy mirahalahy kambana, dia i Jayzo sy Slimjee.

Satria dia malagasy teraka tany Madagasikara tokoa izy ireo na dia misy ampahany frantsay aza ny rainy. Nifindra tany La Réunion kosa ny fianakaviana raha mbola vao 10 taona izy mirahalahy ary monina any Paris izy ireo ankehitriny. “Notezaina tamin’ny fiteny malagasy sy frantsay izahay, hoy izy ireo, mba tsy hanadinoanay ilay tany niaviana. Ka tsy mahagaga raha amin’ny teny malagasy ity hiranay voalohany ity satria na lavitra aza izahay dia mahatsiaro ny any foana.

Na atao aza hoe tena fitiavana mozika no nahatonga azy mirahalahy niditra lalina tamin’ity taranja ity, dia afaka lazaina ihany angamba hoe ao koa ny talentam-pianakaviana satria isan’ny mpanakanto efa maro mpahalala ihany koa i Volatiana, anabavin-drain’izy ireo. Kanefa mikendry ny avo hatrany moa isika olombelona ka ny ezak’i JS_Twins dia ny ho matihanina amin’ny mozika.

I  Justin Timberlake no tena mpanakanto ankafizin’izy mirahalahy kambana hatry ny fahakely ary efa elaela ihany no nitsangan’ny  JS_Twins fa ankehitriny moa izany vao tena miseho amin’ny fomba ofisialy izy. Ankoatra ny dancehall sy ny zouk dia mirona any amin’ny afro koa izy ireo ary mety ho tafiditra izay gadona izay amin’ny ketrika manaraka. “Maro tokoa ny fikasana, na eto France na any Madagasikara. Tsy zavatra mora izany fa soa fa eo izy roavavy vady, mpanohana voalohany indrindra, mamporisika, manolo-tsaina amin’izay rehetra atao, ao ihany koa ny fianakaviana, ny namana akaiky.

Rehefa mijery ny horonantsary moa dia mitovy loatra izy mirahalahy kambana ka somary sahirana ihany ny tena maminany hoe iza i Jayzo dia iza i Slimjee, kanefa hoy izy ireo “misy ihany ny mampiavaka anay, indrindra eo amin’ny toetra na dia mitovy be aza izahay na eo amin’ny fomba fiakanjo ohatra, na eo amin’izay ankafizinay ara-mozika. Na ny havana aza mbola sahirana manavaka anay.” Ary notohizany am-bazivazy hoe “ kanefa ho an’ny mpankafy ny JS_Twins dia toa tsy mamono antoka izany satria maninona tokoa  moa no hionona amin’ny iray nefa afaka maka anankiroa – (hehy).”

Sava lalana tokoa ity sanganasanareo ity. Ny manetsa be mbola ho avy ka ny firarianay eto amin’ny RadioVazoGasy dia ho lasan-davitra ianareo mba ho reharehanay, ry kambana JS !

 

 

 

Rondro Volantsoa