Valim-pitiavana ho an'i Fanaiky.

 

Mahavelom-bolo ny mahita ny vali-babena atolotry ny artista namany sy ireo mpankafy ny sangan'asany ary ireo tia zava-kanto tsotra fotsiny manoloana ny aretina mahazo an'i Fanaiky izao. Ankoatra ny tarika nisy azy mirahalahy isany avy, dia ny Solomiral, dia tsy zoviana eo amin'ny fitendrena gitara beso indrindra indrindra i Fanaiky. Toa ny mozisianina rehetra dia tsy eo amin'ny vava sehatra no misy azy fa erý aorian'ny mpihira erý, kanefa ny fiangaliany iny gitara besony iny no isan'ny manome tsiro sy hanitra ny fampisehoan'ny artista iray.

Ankoatra ny diabeta izay efa mahazo azy dia ny voa no lasibatry ny aretina ankehitriny. Ny voa roa mihitsy, hoy ny dokotera, ka tsy misy fanafana afa-tsy ny fanoloana ny iray. Tsy vitan'ny fianakaviana irery ny miatrika izany - indrindra fa tsy vita ao Madagasikara ny fandidiana - ka nahatonga ireo namany sy havany rehetra niara-niainga amin'ity tolo-tànana ity. Mavesatra ny sandan'izany satria ankoatra ny ho lany amin'ny fitsaboana, izay mitentina eo amin'ny 20.000 euro eo ho eo, dia ao ihany koa ny saran-dalàn'ireo hanaraka azy : ny hanome ny voa ho azy, izay mety ho ny vadiny na ny iray amin'ireo rahalahiny ary ny mpikarakara ny marary.

Maro ny azo handraisana anjara na ho an'ny any an-tanindrazana na ny atý dilambato.

- Ho an'ny rehetra maneran-tany dia misy ny fandrotsahana izay foy, an-tserasera, izay azo atao ato amin'ity rohy ity : https://www.leetchi.com/c/sos-fanaiky-solomiral

- Ho an'ny any Madagasikara dia azo alefa mivantana amin'ny fianakaviana ny fanampiana :

  • BFV : 00008 00007 05001280396 43 amin'ny anaran'i Mirentyfitia Fanandratra Rasolomalala (zanany vavy)
  • Orange Money : 03207 904 56 (Fanaiky)
  • M-Vola : 03466 61966 (Fanaiky)
  • WesternUnion : R.Hajarisoa Lalaina Rabemiaramanana (vadiny)
     

- Eo koa ny hetsika ara-mozika, any an-tanindrazana sy atý ivelany ary ny RadioVazoGasy dia miezaka mizara ireny ao amin'ny tambazotra Facebook : https://www.facebook.com/radiovazogasy/

Samy mitondra izay zakany eny ny rehetra fa ny erikerika ihany no mahatondraka ny rano. Ny mizara ny vaovao sy ny fanentanana dia isan'ny fandraisan'anjara ihany koa.

Mirary ny soa rehetra ho an'i Fanaiky isika, mankahery azy sy ny fianakaviana eo am-pitsaboana. Eniletsiaaaaaa

 

 

Rondro Volantsoa