Nanandratra avo ny kanto malagasy i Tara Shakti nandritra ny 'Biennale di Firenze 2021'.

 

Hetsika fampirantiana ny Zavakanto Ankehitriny (Art Contemporain) fanao ao Florence, Italie, isaky ny roa taona ny Biennale di Firenze. Raha niato kely ireo hetsika rehetra nandritra ny hamehana ara-pahasalamana teo ireny dia tontosa tamin'ny 23 ka hatramin'ny 31 okotobra teo ity andiany faha-XIII ity.

"Eternal Feminine | Eternal Change" no lohahevitra tamin'ity, nanomezana toerana manokana ny vehivavy ao amin'ny fiaraha-monina ka sanganasa efa ho 1000 mahery no niranty tao ary mpanakanto efa ho 400 mahery avy amin'ny firenena 65 no nandray anjara ka nanana solontena nitondra avo ny fanevantsika i Madagasikara tamin'izany satria hosodoko goavana be anankitelo no nentin'i Tara Shakti teny, entiny mampahalala amin'izao tontolo izao ny anjara-toeran'ny andriambavilanitra malagasy hatramin'ny andro taloha, fony faha-mpanjaka ka hatramin'izao ankehitriny izao.

Aleo ity horonantsary notontosaina ho antsika rehetra ity no hanambara izany bebe kokoa aminareo. Afaka mirehareha mihitsy isika fa manana ampela mahavita azy ihany koa eo amin'io sehatra io.