Hantatiana

Hantatiana Ramamonjy,teraka ny 31 oktobra
1982,dia mpihira hafa noho ny fahita satria dia vao fito taona monja dia efa
niakatra an-tsehatra, 9 taona
no namoaka rakikira voalohany. “La pluie,Fiderana,Faly aho.”

Tsikaritra
tamin’ny seho niarahana tamin’i Bodo,Poopy,Fara Andriamamonjy,Ndriana Ramamonjy
sy ireo mpihira maro hafa fantan-daza tamin’ny vanimpotoana. Efa
roapolo taona lasa izay.

Namoaka
rakikira 4,teo ambanin’ny fiahian’i,Ndriana Ramamonjy,dadanaivoko, izay  mpandrindra sy mpanoratra ny hirako rehetra.

Anisan’ny
mpanankanto nahalafo rakikira maro indrindra teo amin’ny sehatry ny zava-kanto
malagasy.

Nanao
fampisehoana maro tokoa satria dia isaky asabotsy sy alahady dia feno foana ny
fandaharam-potoana nandritry ny 11 taona.Manao
fitsidiham-paritany maro,eran’ny nosy,ary koa hatrany am-pita
aza.(France,Suisse,Etats-Unis,Afrique)

Nahazo ny « prix revelation
gasitsara 1994 »

Voafidy ho « vehivavy mendrika ny
taona 1996 »

Lany feo mangan’ny Madagasikara,ary
nandritra ny fisehoana tany Etats-Unis ny taona 1997 dia niseho gazety ny
vaovao.Naharitra
taona maro no reha sy hita matetika tao amin’ny radio sy fahita lavitra ny
hiran’i Hantatiana. Tafiditra
ny sehatry ny « Top Hit Parade. »

Efa ho
sivy taona  no mipetraka aty
Suisse,nianatra no nandaozana an’i Madagasikara.Rehefa tapitra izany dia
nanambady an’i Njaka(Ingénieur) ary niteraka zaza roa,Tahiana sy Kanto.

Estheticienne
no asako ary mpihira rahateo,no sady vady no reny.

Manao
seho hira “classique”aty Suisse ary ny hira fiderana sy fitoriana matetika any
ivelan’ny Suisse.

Nahazo
fangatahina fampisehoana maro ary efa nandritra ny nipetrahana taty Suisse
izany saingy efa manambady aman-janaka ankehitriny ary ny fianakaviana no
mandeha alohan’ny zava-drehetra,mbola kely ny ankizy dia nahena ny seho.Sady
miasa rahateo koa  ny
« weekend ».

Ny
fampisehoana kasaina atao atsy ho atsy raha sitrapon’Andraiamanitra ,

Ny 27 juin  amin’ny 19h30 ao Toulouse izay atao ao
amin’ny :Vieux temple,70 rue Pargaminières, 31000 Toulouse

Ny
manaraka dia ny 26 septembre ao Poitiers

Ary ny 1er novembre mbola Toulouse ihany.

Mbola holazaina miandalana eo ny
an-tsipirihan’ny fampisehoana manaraka voalaza etsy ambony.

Misy “CD
best of” izay ahitana ireo hira taloha nahafantarana an’i Hantatiana ary “VCD.”

Misy
“Single” ahitana hira roa vaovao koa,”Lokon’ny lanitra” sy “Vers toi mon Dieu”
izay afaka azo mandritra ny fampisehoana raha ny tokony ho izy.

Hisy koa
ny rakikira vaovao amin’ny heritaona izay ahitana ireo hira roa ireo.

“Voninahitra
ho an’Andriamanitra irery ihany,fitaovana fotsiny aho fa Izy no miasa!”

“Misaotra
anareo namaky ary misaotra an’ireo mankafy ny hirako.Efa tsy handry ny
hifankahitana aminareo.”