Nodimandry ilay tsy manan-kialofana tantarain'i Spielberg amin'ilay sarimihetsika 'The Terminal'

Mpitsoa-ponenana iraniana teraka tamin'ny taona 1945 i Merhan Karim Nasseri. Dokotera ny rainy ary toa hoe mpitsabo mpanampy ekosezy kosa ny reniny.
Tsy dia mazava tsara ny tena tantarany fa ny hany azo antoka dia isan'ireo mpianatra 20 izay notazonin'ny tafiky ny Shah Mohammad Reza Pahlavi izy tamin'ny taona 1970, mba hohadihadiana taorian'ny fipoahan'ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpianatry ny anjerimanontolo tao Teheran momba ny fitsipi-pifehezana vaovao nampiharina tao. 
 
Faniriany nandritra androantokom-piainany ny hitady ny reniny. Saingy noho ny tsy fananany taratasy ara-dalàna amin'ny maha-pitsoa-ponenana azy dia zary voalikilik'ireo firenena tiany notetezina  hatrany izy. Nisy fiantraikany tany amin'ny sainy rahateo izany ka nisy fotoana izy nandà ny maha-Mehran Karimi Nasseri azy ka nilaza fa "sir Alfred Merhan" hono izy ary tsy olom-pirenena iraniana.
 
Ny nampalaza azy kosa dia izy nonina nandritra ny 18 taona tao amin'ny seranam-piaramanidina frantsay ao Roissy-Charles de Gaulle - Terminal 1 - nanomboka ny taona 1988. Raha narary ka naiditra hopitaly izy tamin'ny taona 2006 dia nalefa herinandro vitsivitsy tamin'ny trano fandraisam-bahiny tao Paris rehefa sitrana ny taona 2007, ary avy teo dia nampiantranoin'ny Emmaüs France ao amin'ny boriborintany faha-XX.
 
​Herinandro vitsivitsy lasa izay dia niverina nipetraka tao amin'ny seranam-piaramanidin' Roissy, Terminal 2F, izy ary nodimandry tao amin'ilay "akaniny" ny 12 novambra lasa teo.
80 taona izy io lasa io, fahafatesana voajanahary. Niainga avy tamin'ny tantarany no nanoratan'i Steven Spielberg ilay sarimihetsika malaza hoe "The Terminal" ka i Tom Hanks no milalao ny anjarany. Raha ny fantatra dia nanome azy 300.000 $ i Steven vao namadika ny tantarany ho lalaovina an-tsarimihetsika.
 
 
Rondro Volantsoa