Modeste Hugues

Miarahaba
anareo rehetra   mpamaky ny Radiovazogasy
ny tenako Randriamahitasoa Modeste Hugues Malagasy mpanao zavakanto (mozika) , ary mipetraka aty "London / England / U.K. 

Imailaka
:
  modestehugues@yahoo.co.uk na modeste@modeste.co.uk

 

Efa
nanomboka nanao mozika ny tenako tamin'ny taona 1975 ary niakatra ny
sehatra  nanomboka ny taona 1977 tao Betroka. 

Ny
hetsika lehibe efa nandraisako anjara moa dia marobe izy ireny ka tsy
ho voa tanisa eto daholo ka ny sasany vitsivitsy ihany no homeko anareo eto. Ohatra ny WOMAD festivals
izay atao amin'ny firenena maro - Singapore, Italy, U.K(United Kingdom) sns..,
London Rise( United) festivals, International Guitar Festivals - London, Grece
sns.., fandaharan'i BBC live isannkarazany.

U.K.
tours niaraka tamin'i Cesaria Evora

London
African Festivals izay atao eto London isan-taona ao amin'ny Queen Elizabeth
Hall sy ny Royal Festival Hall ary ahitana an'ireo mpanankato Afrikanina
maro mandray anjara ohatra i Yvonne Chakachaka, Kanda Bongoman, Lokoa Kanza
....

Ny fifaninanana amin'ny
International Songwriting Competitions (USA)
- 2004 izay nazahoako ny voaloany tamin'ny lafiny "World music"
sy ny International Art Society / World Music - Hellas (Grece) voaloany - 2008.

Amin'izao fotoana izao moa ny tenako
dia manomana ny raki-kira vaovao, festivals sy "concerts" izay
ho atao tsy ho ela eto U.K. sy
any ivelany.

Marihina fa ny raki-kirako Modeste sy Fomba(living our destiny) dia azo jerena ao amin'i http://www.sternsmusic.com

izay mpanaparitaka ny raki-kirako ka
na aiza na aiza amin'izao tontolo izao dia afaka manafatra avy ao amin'io.

Dia mirary soa ho an'ny
mpamaky ny radiovazogasy.com rehetra ny tenako.

Mahereza
daholo.

Modeste