Mami Bastah

RANAIVO
Maminirina Ramiandraharisoa no tena anarako ary MAMI Bastah no anarana hoentiko
amin’ny maha-mpihira ahy, ankoatry ny mozika dia Mpamboly aho . Ny gadon-kira
hiangaliako dia : folk Sy “Musique du monde”

          E-mail : mamibasta2@yahoo.fr

          Siteweb : www.myspace.com/mamibasta

          Ny adiresiko dia Lot 1118 J 110
Mahazoarivo - Avaratra 110 Antsirabe Madagasikara

          Tamin’ny taona 1977 aho no nanomboka
namoron-kira voalohany ary tamin’ny 1982 ao no niaraka tamin’ny Tarika REMY ,
ny taona 2000 aho no nanomboka nandeha irery ka nitondra ny anarana “ MAMI Bastah” 

          Efa nanao fampisehoana mihoatran’ny
120 eran’i Mcar aho hatramin’ny nitondrako ny anarana MAMI Bastah , ary efa
nanao fampisehoana tany ivelany ihany koa : La Reunión , FRance , REp
Tchèque , Allemagne , Italia

           Amin ‘izao fotoana izao aho dia
solotenan’i Mcar amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena  PRIX MUSIQUE OCEAN INDIEN 2009 izay atao ao
amin’ny Alliance Française  Antananarivo
ny famaranana ny 25 Sept 2009 amin’ny 7 ora hariva (Jereo www.prixmusiquesoceanindien.com

          Ny isan’ny hira noforoniko
hatramin’izao dia miisa any amin’ny 160 any ho any ary efa namoaka raki-kira
(CD Audio 2 aho ary VCD 1)

           Ny mpihira tiako dia : 

-         

Vahiny : Bob Dylan , Cat Stevens , James Taylor
, The Beatles

-         

Malagasy : Mahaleo , Lolo sy ny Tariny ; ERick
Manana , Tselonina , Feo Gasy , Henri Ratsimbazafy , Jaojoby

Isaorako be dia
be ny hetsika toy izao satria ezaka fampahafantarana ny artista Malagasy

 

                             MILA VONJY NY
GASILAHY

 

Mila vonjy e, mila vonjy e , mila vonjy ny
gasilahy
Fahamarinana
tsisy hita ho’aho , fa tapitra nafenin-dry zalahy
Mila vonjy e, mila vonjy e, mila vonjy ny
gasivavy
Ny
olo-marina nantenaina misy ‘tady hamono sy hamosavy

Andriamanitra
Ray Tsitoha ô , henoy re ‘ty vavakay
Fa tena
mafy tokoa , tokoa  e , ny loza manjo ity
taninay
Efa
hatramin’ny elabe no nila vonjy sy nitalaho
Ray
Mpamonjy , henoy re , fa mitaraina ny zanakao

‘Reo
mpitsindroka zôridira ho’aho , omeo sakafo mba hifaliany
Kalokalo sy
hirahira ho’aho , no ataovy solon’ny fijaliany
‘Reo tsy
manana hialofana e , matory eny an-dalam-be
Omeo lamba
mba hirakofana , tsy manana havana
mba aleha
‘Reo
mpitantana sy mpitondra re , tariho ny sainy hanao ny rariny
‘Reo
mpanodinkodina volabe , asaivo soloiny izay nangalariny
Raha manao
tsy rariny ireo lehibe , ampiharo lalàna mba ho voasazy
Endaso ho
mendy amin’ny afobe , f’efa zatra mangorona ny tsy azy
‘Reo
olo-marina sy azo antoka omeo hery sy fitahiana
Raha sendra
ny ady izay tena sarotra dia arovy tsara fa aza ariana
Andriamanitra Ray
mahery ô , omeo valiny ny hatakay

Fa aza avela
handeha irery , tsilovy ny lalan-kizoranay
Tsy izay
tinay fa ny sitrakao ihany no tanterahina re ry Ray
Ry
tompon’ny hery tsy mety lany , mila vonjy aminao re ny taninay
Kanefa na
izany aza , olombelona ihany mandre marary
Mahatsiaro
mijaly sahiran-dava , rehefa miakatra ambony ny vidim-bary
Andriamanitra
Ray mahery ô , iraho mba hidina aty Jesosy
F’izahay
malagasy mitady ho very , sady tsy ampy sakafo no tsy ampy sôsy
Mitanondrika
mitaraina re , ampanjakao re ny fahamarinana
‘Reo
tompon’andraikitra lehibe , ambeno mba tsy hanao zara vilana
‘Reo
olon-dratsy mpisetrasetra , tsy maty manota fa mafibe
Sazio mba
hitovy aminay rehetra , na “TIM” izy na “TGV”

Hamaranako
izany tafa , henoy tsara raha azo atao
Tonom-bavaka
hafahafa , fa sady mamely no mitalaho
Aok’izay ny
mifampitady ry mpanao pôlitika tsy an-kanavaka
Atsaharo
hatreo ny ady dia ho tonga
tsy ho ela ny valim-bavaka
‘Reo
mpanompon’I Jeso Kristy ô , hiara-hiasa sy hampihavana
‘Reo basy
sy fiara mifono vy , ampirimo amin’izay , soloy fitiavana
Hiara-dalana
, hikorana e , Monsieur Guy Rivo sy Ratsivalaka
Ingahy
Andry sy Ingahy Ravalo , hiara-handihy salegy, handihy kilalaka

Mila vonjy , mila vonjy , mila vonjy Zanahary
Fa ‘ty tanindrazanay ity anie tena
marary