Razilio sy ny gitara beso.

Julio Rakotononahary na Raziliò dia isan'ny malagasy kalaza amin'ny fitendrena gitara beso. 
Ny mpitendry zava-maneno moa dia tsy be mpahalala loatra noho izy ireo somary ery aoriana rehefa eny ambony sehatra fa ny mpihira no tena tazana sy manintona kokoa. Kanefa dia izy ireny indrindra koa no tena isan'ny mahalavorary ny fampisehoana.

Niniana natao amin'ny teny malagasy ity lahatsoratra ity na dia any ivelan'i Madagasikara aza ny tena tokontany filalaovany satria mba efa maro ihany ny lahatsoratra miresaka azy amin'ny teny vahiny.

Nitombo sy nilomano tanteraka tanatin’ny mozika i Julio satria ny rainy, Jules Rakotonanahary, dia isan’ny mpikambana tao amin’ny tarika “Ny Valolahy” izay tsy zoviana amin’ireo andian’ny taona 60’. Feno 15 taona izy no niala tany an-tanindrazana ary nonina tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, tamin'ny taona 80 tany ho any.

Ny fitiavany an’i Sting, izay manana feo mitovitovy amin’ny azy, no tena namporisika azy hitendry gitara. Teo koa ny Beatles, hany ka ny hiran’izy ireny no tena fanaony rehefa manafana "cabaret" izy tamin'izany. Tamin’ireny fotoana ireny no nahatapa-kevitra azy hifantoka tanteraka amin’ny mozika sy ny faniriany ho matihanina amin'ity taranja ity.

Ny taona 92 no nanombohany ny fiofanana manokana amin’ny gitara beso tao amin’ny Conservatoire tao Marseille ary mbola nanaovany fandalinana nandritra ny herintaona tany Angleterre. Rehefa vitany izay vao niverina nonina tanteraka tao Paris, “Renivohitry ny Mozisianina”, izy.

Nanomboka maro ireo artista nahamarika azy, na malagasy na vahiny, ka nangataka fiaraha-miasa taminy. Nisy fotoana ohatra nanoloany an’i Mamy tao amin’ny tarika Njila. Nisy koa fampiaraham-peony sy fiarahany nitendry tamin’i Angelo Rakotomanga (Lolo sy ny tariny), ny fiarahany tamin’i Nicolas Vatomanga, ny Quartet iarahany amin’i Charles kely, sy ny maro tsy voatanisa.

 

Teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia afaka mirehareha ny tontolon’ny kanto malagasy manana azy. Nitondra azy nitety, sy mbola mitety, vazan-tany maro ny mozikany, indrindra ny gitara besony. Maro tokoa ireo tarika sy mpihira vahiny niantso azy hanaraka azy ireo toa an'i Sylvia Laubé, Mounira Miitchala, Ryoko Nuruki, Susheela Raman, Eddy Louiss, Paco Sery, Nguyen Lê, Yannick Noah, Raul Paz, Manu Dibango, sns.

Tsy mitendry ihany anefa fa sady manoratra no mamorona no mihira i Julio. Fa isan'ny nampiavaka azy ny hanitra nanavaozany ny gadon-kira malagasy. Nahenoana izany ireo hirany na fony izy tao amin'ny tarika Wa-zimba niaraka tamin'i Phillipe Robert sy Pierre Acourt na tao amin'ny Aniansah : hira nentin-drazana nolaroiny feon-kira tandrefana. 
Iray tamin’ireny i “Tsy mampaninona” (Wa-zimba) izay tafakatra laharana voalohany tamin’ireo hira maro mpankafy teny amin’ny haino aman-jery malagasy teo amin'ny manodidina ny taona 2000, ka nahatonga azy voaasa matetika nitafatafa tamin’ny fandaharana maro tao amin’ny RTA, Rdj, RLI.

Eto am-piandrasana ny matsiro ketrehany indray isika izao satria eo am-panomanana rakikira vaovao tokoa izy… araho eto hatrany ny vaovaontsika !

;)