Dj Rodman

Dj Rodman ; resadresaka nifanaovana taminy talohan'ny hetsika izay karakarainy amin'ny faha 31 oktobra 2009. nanangona Raozigasy

1. Oviana no nanomboka nanao DJ
Miarahaba ny mpitsidika ny takelaka serasera.org
Ny nanombohako nanao DJ angamba tsy voafetra amin'ny fotoana satria taty am-pita vao napetraky ny olona ilay hoe DJ RODMAN.
Ny talohan'izay efa nampandihy tetsy sy teroa fa amin'ny maha Rodman ahy fotsiny.
Tany ho any amin'ny faha 15 taona tany no nampandihizako voalohany, mazava ho azy fa fetim-pianakaviana no nanombohana izany.

2. Inona ny antony nahatonga anao ho Disk-Jockey ?
Tsotra be, tsy dia misy antony manokana fa efa izay le hoe "passion".
Mahafinaritra ahy ilay mifety, satria rehefa miresaka hoe DJ dia mazava ho azy manaraka eny ny hoe fety.

3. Karazan-kira inona no manavanana anao ?
Manavanana daholo, fa aleo angamba valiko hoe inona no tena tsy manavanana?
Reny karazankira antsoina hoe Trance, Hardcore, Electro ... ireny no tena tsy zakan'ny sofiko.

4. Taiza avy ny lalana efa vitanao lafiny deejaing?
Ny lalana efa naha DJ RODMAN angamba no lazaiko satria mbola resaka amateur be ny talohan'io.
- Nitazona Club Bar iray tao Geneve ny taona 2003 - 2004, resident hoy ny fitenenana: EVENTS CLUB.
- Telo taona nifanesy nampandihy ny soirée de cloture RNS 2005 niaraka tamin'ny DJ LOVA,
RNS 2006 niaraka tamin'ny DJ R'AL Marseille - RNS 2007 niaraka tamin'ny DJ DINA (mpimaso kely ho an'izy telo mitsamy)
- De amin'izao fotoana manao animation DJ ao amin'ny discotheque LE JAGUAR etsy 77 (banlieue parisienne)
- Ny soirée organisée moa zany tsy lazaina eto tsony fa reny efa hitantsika reny.


5. Inona ny projet ?
Hitondra ilay "passion" ho lasa lavidavitra kokoa, ho atao fivelomana mazava ho azy. Iza no tsy maniry ny hoe mivelona amin'ny zavatra mafinaritra azy zany? Fa amin'izao fotoana aloha aleo mbola miketrika.

6. Iza ny DJ préférés na tahafinao ?
Raha vahiny aloha dia Martin Solveig, Bob Sinclar, DJ Mast
Raha
malagasy dia MC KREESAN, JAYTAXX, BIG JO l'ambianceur, ireo no hitako
sy efa henoko ny mix-ny, fa sur aho fa efa misy relève amizao any
amin'ny tanàna any fa mbola tsy naheno mix aho dia tsy afaka miteny.

7. DJ RODMAN ve mikarakara ihany koa sa mampandihy fotsiny ?
Eny
mikarakara koa aho, raha ny tena marina dia mifameno ireo. Ny DJ
matetika dia Organisateur ihany koa. Ary tsy vitsy koa aza no lasa
chanteur : joy k, dj sissi, mamy gotso,  ... Tsy olana izany fa mozika daholo ireo.

8. Contact-nao ?
dj_rodman@hotmail.com