Hajaina Naomy Andrianasolo

Nahazo ny mari-pahaizana ambony momba
ny Fifandraisana sy ny Haisoratra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i
Hajaina ary mbola manohy ny fianarany sady miantsoroka asam-panjakana ihany
koa.

Tsy nandova mivantana saingy ny
fampirisihan’ireo Ray aman-dreniny hitozo sy hanohy ny sori-dalana heveriny fa
manavanana an’i Hajaina no anisan’ny tanjaka lehibe ho an’i Hajaina nitetezany
ny valaben’ny kolontsaina ka nikolokoloany ny teny sy soratra malagasy ho eo
avara-patana sy ho amin’ny toera-mendrika.

Tany amin’ny
faha 13 taonany tany i Hajaina no nanomboka nanoratra. Niara-dalana hatrany ho
azy ny TENY sy ny SORATRA satria nianatra nikabary ny taona 1995 ary anisan’ny
zandriolona sady tovovavy kely tamin’izany nisantatra sy nandray anjara ka
noraisina ho mpikambana tao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy  ny taona 1996 ary dia io taona io ihany koa
no nidirany ho Mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra malagasy
« HAVÀTSA – Upem ». Voafidy ho Birao nanomboka ny taona 1999 ary ny
taona 2008 dia nolanian’ny fivoriam-be ho Filoha Mpanampy ao amin’io Fikambanan’ny
Mpanoratra io.

Araka izany, i
Hajaina dia manoratra : Tononkalo,
Sombintantara, Tantara fihaino, Tantara
tsangana (ka efa nahazoany ny loka voalohany tamina fifaninanana ny taona
1997 sy 1999), Andram-pamakafakana, Angano, Sombintseho, Hira (tonony sy feony) sy ny sisa. Nandrindra
sy nanoratra ny boky Soridalan-komban-kahatsangy izy ny
taona 2006 izay boky fampianarana mikabary ary nandray anjara tamin’ny
fanoratana ny boky Tombokavatsan’ny taona 2000
izay ahitana ny Sombintantara nosoratan’ireo Mpikambana ao amin’ny Havàtsa
Upem,. Ary tamin’ity taona 2009 ity, ny volana avrily dia nivoaka soa
aman-tsara ihany koa ny boky Ambarion-kabary niarahany nanoratra
sy nandrindra tamin’ireo Mpikabary namany.

Somary
masiatsiaka na mahery setra eo amin’ny fomba fanoratra i Hajaina, hoy ny
fanombanan’ny sasany amin’ireo Mpanoratra namany. Mety ho marina amin’ny
ampahany kely izay ary mety ho hitanao ato ny sombin’izany, fa ny tena mahitsy
dia izao tsy manaiky mora foana izay heveriny ho tsy rariny i Hajaina ka any anatin’ny
soratra no amonkonany totohondry hamelezany ireo minia miridiridy. Maha izay
azy rahateo izany. Manana toetra mora tohina fa vetivety dia mitsiky, mora
malahelo fa vetivety dia mifaly i Hajaina. Dindom-piainan’ny maha olona avokoa
izany, hoy izy.

ho an’ny Havàtsa, noho ny faha 55 taona

 

DIA ALEO…

 

Raha
Saina mora ketraka

No
entinao mamaky ny haizim-be mikitroka,

Dia
aleo mipetrapetraka

Fa
sao ho sendra hady… lalina mangitsoka.

 

Raha
Fo mora sendaotra

No
entinao maneho ny teny sy ny sary,

Dia
aleo mamboamboatra

Karazam-panafody,
sitrany tsy harary.

 

Fa
raha Fanahy mamàka

No
entinao mandeha mikatsaka ny mety,

Dia
aleo tsy miambaka,

Miaraha,
miomb?na hevitra amin’ireo Poety.

 

                              Hajaina

             (sept 2007)

 

Tsindrio eto raha maniry hamaky ny tononkalony