Henintsoa Mirija RAZANADRABE

Henintsoa
Mirija RAZANADRABE, fantatra amin’ny solon’anarana oe Nantto na Nato. mitovy
karazana amin’ny varongy ny nato. Somary malefadefaka izay izy. Ny hodiny dia hampiasana
hanaovana lokona lambamena. Ny ohabolana dia manao toy izao: “Mitondra nato
miantsinana”. Ny tiana ambara etoana dia hoe mitondra zava-tsoa eo amin’ny
toerana misy anao ihany satria ny nato dia karazan-kazo hita any amin’ny
faritra Atsinanana.

Avy
amin’izay ihany koa no tena nitarika tamin’ny fanoratana dia ny hitondra
zava-tsoa ho an’ny tontolo hiainana, hanova ny toe-javatra tsy mety mitranga eo
aminy. Ary ny hamaroan’ny asa-soratra dia manodidina izay loha-hevitra izay:
hanova ny tontolo, hanome vahaolana ho an’ny fiaraha-monina, miresaka ireo
sorisorin’ny olombelona amin’ny andavanandrony. Io sehatry hivelarako io no
tena manome dikany mazava ny hevitry ilay teny hoe “tontolo” ao amin’ny asa
soratro.Miverimberina matetika izy io ao.

Vao herin-taona
izao no nanomboka nanoratra ary tsy mbola namoaka boky, fa efa ao ihany ny
fikasana. Fa ny tranokala toa itony no nampitaina ny soratra. Marihina fa mbola
tsy dia fantatra loatra eo amin’ny sehatry ny zava-kanto ny tenako, mbola vao
tanora tokoa amin’izay sehatra. Tsy mbola manana fifampikasohana amin’ny
mpanoratra Malagasy afa-tsy amin’ny alalan’ny boky sy pejy voasoratra. Ary
mbola tsy niseho tamin’ny fandaharana amin’ny haino aman-jery misy eto
an-toerana. Mety manahirana araka izay ny hitonona hoe mpanoratra kanefa dia
tsy maintsy handalovana aloha zao toerana izao ahafantarana ihany koa ny
dia-penina vaovao eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto Malagasy sy eto amin’izao
tontolo izao.

Ary izay
toerana izay dia hihoarana hatrany satria ny tontolo dia mivoatra, ary ny
fiaraha-monina dia mivoatra ihany koa. Ny zava-kanto dia manaraka izany, ary eo
no tena nahatonga ny tena hametraka zavatra ho an’ny sehatry ny kanto hanome
endrika iray vaovao endri-tsoratra hafa hampivelatra ny efa misy sy fantatra.

Ny
soso-kevitra azo hampitaina amin’ny mpanoratra Malagasy dia eo amin’ny fifantenana
ny teny hampitana hevitra, ary ny fikarohana sy famelomana ireo teny zay vitsy
mpampiasa amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay dia tokony hivelatra kokoa
amin’ny firesahana ny zava-misy eto amin’izao tontolo izao fa tsy ny
zava-mitranga eto an-toerana ihany.

Ny
Mpanoratra Malagasy tena mahafinaritra ahy dia Rado, Dox raha eo amin’ny
fandrafetana ivelany tononkalo. Fa raha eo amin’ny fomba fampitana hevitra
amin’ny tononkalo na tantara foronina kosa dia i Rabearivelo (ohatra ny
Presques songes), E.D ANDRIAMALALA (ohatra Hetraketraka). Ny mpanoratra vahiny
mahafinaritra ahy dia I Shakespeare (Tragedie de Hamlet) ingahy Goeffrey Socher
(The Pears of Ploaman).

Miasa sy
monina eto Antananarivo aho. Ny asa atao dia eo amin’ny sehatry ny serasera. Ny
Mailaka azo ifandraisana dia hamletmix@yahoo.de, ary ny tranokala hamantarana ahy
kokoa dia ny www.myspace.com/henintsoa. Ny laharan’ny finday azo
hifampiresahana dia 034 10 737 76

Eo amin’ny 40
mahery eo zao no tonokalo voasoratra. Ny tononkalo nosoratako nahafinaritra ahy
dia ny “Dindona”.

Misy nofy
toa mandindona

Manamboly
milaza inona

Mampatsiahy
ny zavatra fahiny

Mamerina ny
fiaina fahiny

 

Te hiantsampy
ianao nefa ho aiza

Te
hiantoraka nefa hankaiza

Mitanisa ny
lasa voaseho toa jinery

Tsy
afa-mankaiza zato tena irery

 

Gaga angamba
ianao raha lazaiko

                                     Fa miaina

Mitamberina
ny lasa feno aina

Te hiangavy
nefa moa hilaza inona

Hanina sy
embona zato mandindona

 

Ny lasa dia
fitsiahy

Ny ho avy
tsy hanahy

Ny fiainana
ireny

Mampitsiry
nanto tsy hireny

Desambra 2009