CHORALE FEON ANJOMARA VAOVAO ECAR MANJAKARAY

Ny Feon’Anjomara Vaovao na F.A.V dia Antoko mpihira iray ao amin’ny Paroasy Kristy Mpanjaka Ecar Manjakaray. Niforona tamin’ny Decembre 2004 rehefa nahazo fankatoavana ofisialy tamin’I Pretra (Tpkl Pere Louis Lopergolo).

Efa nisy ny antoko mpihira tao amin’ity Paroasy ity nanomboka ny 1964 saingy tsy naharitra taona 2 na telo dia lefy hatrany, noho ny fiovaovan’ny mpitarika tamin’izany, izay sady relijiozy rahateo. Niovaova ihany koa ny anaran’ny antoko mpihira tamin’izany (Raozery Velona…, Feon’Anjomara Manjakaray)

Taty amin’ny taona 2003-2004, rehefa nifandinika ny tanora vitsivitsy izay nahitana an’Atoa  isany Andriankaja Rina (izay sady mpanorina ny Feon’Anjomara Vaovao) sy Atoa Njato dia tapa-kevitra fa tena hiroso amin’ny programa maharitra ho an’ny Antoko Mpihira.

Ny tanjona niraisana tamin’izany dia ny

-         hamerina ireo membre tranainy mba hiditra sy hanatevina ny antoko mpihira

-         hamelona ny hira Katolika

-         hitory ny vaovao mahafaly amin’ny manodidina

Marihina moa fa tamin’ny taona 2004 dia ny CMEM (Chorale Maintimolaly Ecar Manjakaray) no anarana nisalorana ny Antoko Mpihira noho ilay tanjona napetraka dia ny famerenana ny membre tranainy, saingy herintaona taorian’izay dia niova ho Feon’Anjomara Vaovao, satria nisy ihany koa ny olom-baovao te hiditra.

Tamin’ny taona 2009 no nankalaza ny faha-5 taonany ny F.A.V ary niarahany tamin’ny antoko mpihira maromaro sy tarika maro izany fankalazana izany.

Miisa 50 ankehitriny ny membre ao amin’ny antoko mpihira.

Tsy mijanona ao anaty rindrin’efatry ny Fiangonana ny asa fitoriana ataon’ny F.A.V fa efa nanao fitoriana an-kira teny an-kalamanjana ihany koa (Amboditsiry, Manjakaray)

Efa maro ny antoko mpihira niarahana niasa (Ecar, FJKM, FLM, Anglikana), tao koa ny gropy ara-pilazan-tsara (Ny Mpitory, Ny ATM sns), ary efa maro ihany koa ny toerana nitoriana ivelan’Antananarivo.

Tanjona iray ao anatin’ny 3 volana voalohany amin’ity taona 2011 ity ny fivoahan’ny Album Nº1 izay ahitana hira 12.

 

Rina Andriankaja

Anio 10 janoary 2011