Loka fahatelo ho an'ny Duo Talilema

 

An-kafaliana no ilazana amintsika ny fandraisan'ny tarika Talilema anjara tamin'ny fifaninana iraisam-pirenena Sharq Taronalari tao Samarkand (Ouzbekistan) ny 25 ka hatramin'ny 30 aogositra lasa teo.

Voalohany teo amin'ny tantaran'ny hira malagasy no mba anisan'ireo firenena 55 nandray anjara i Madagasikara nefa dia nandrombaka ny toerana faha 3 taorian'i Korea sy Chine. Ny fifaninana Sharq Taronalari moa dia fifaninanana mikasika ny hira sy ny kolontsaina andraisan'ny firenena maro anjara ka miisa 11 ireo mpitsara voafantina manana fahaizana manokana momba ny mozika maneran-tany ("World musique").

Talilema dia tarika "duo" ivondronan'i Talike sy Kilema izay mpanakanto mahay zava-maneno maro avy ao Madagasikara. 

Kilema  dia mpamorona sy mpandrindra ny hira, mpihira ary mitendry zavamaneno maro. Anisan'ny ampiasainy amin'izany kabôsy, ny mandoliny, ny belamaky, ny marovany, ny valiha, ny katsa.. Amin'izao fotoana izao izy dia lohan'ny tarika izay mitondra io anarana io ihany koa, ary mipetraka any Espagne hatramin'ny taona 2000.

I Talike indray kosa ankoatry ny maha mpamoron-kira sy  mpandrindra azy dia mihira, mandihy, sy mpidoboka aponga. Mpitarika ao amin'ny tarika Tiharea izy ary miara-miasa akaiky koa amin'ny tarika "Blind Note", izay tarika misy mpikambana avy amin'ny firenena sy foko maro, ary nahazo ny loka tsara indrindra tamin'ny "World Musique 2011" tany Belzika. Any Belzika rahateo i Talike no monina.

Ny fototra ijoroan'ny duo Talilema dia ny hampahafantatra hatany ny kolotsaina malagasy. Ny takelaka ahitana ny mombamomba azy dia ao amin'ny http://talilema.blogspot.com