Fantaro ny Groupe Tsidika

 

Maro amintsika no efa nahita ny “Groupe Tsidika” na tamin’ny fahitalavitra na re amin’ny fandraisam-peo, amin’ny alalan’ny kapila isan-karazany. Vitsy ihany anefa no mahafantatra ny mombamomba ny tarika: ny fiforonany, ny tanjony, ny zavatra ataony. Nanantona ny tarika ny izahay eto amin'ny serasera.org nanontany azy ireo ny tsara ho fantatra momba ny tarika sy ny tsirairay ao amin’ny tarika. Amin’ny manaraka dia mbola omena antsika eto ihany koa ny momba ny mpikambana tsirairay ao amin’ny tarika. Marihina fa ny tanjon’ny serasera.org dia ny fanomezana laka hitenenan’ny mpanankato na ihany koa famporisihana azy ireo hanao ny tsaratsara kokoa hatrany, hanandratra ny kanto Malagasy indrindra ireo izay mandala ny tena Malagasy ara-potokevitra, ara-pihetsika, ara-teny, ara-pitafy sy ny sisa. 

Oviana no niforonan’ny tarika ? Firy ny mpikambana ?

Tamin’ny taona 1996 no niforona izahay ary amin'izao dia valo (8) ny mpikambana.

Ahoana no nahitana ny anarana ? Inona no tena heviny ?

GROUPE ARTISTIQUE ET THEATRAL TSIDIKA no tena anaran’ny tarika, na afohezina hoe G.A.T.T. fa ny fandaharana novokarina (émission) no nomena anarana hoe TSIKY TSIDIKA. Hanao fanentanana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no tena antom-pisian’ny tarika hatramin’ny voalohany ka manao fitsidihana any amin’ireo tanàna sy tokantrano maromaro. Izany no nahatonga ny anarana hoe TSIDIKA.

Iza no tompon-kevitra hampikambana ny talenta ? 

Ny tetikasa PACOM (Programme d’Appui à la COMmunication) – Coopération Suisse, no nanangana ny G.A.T.T. mba hampahomby kokoa ny fifandraisana sy ny fampitan-kafatra, indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Niforona araka izany ny fikambanana ary tantara an-tsehatra (théâtre) no natao tany am-boalohany. Nivoatra tsikelikely ny fahaiza-manao ka izao tonga amin’ny famokarana sarimihetsika izao.

Nanao ahoana ny fifampitaizana hatrany am-boalohany : ny casting, ny répétition, ny tournage, ny fanapariahana ?

Sarotra ny miaina ao anaty fikambanana satria tsy mitovy toetra sy fomba amam-panao ny tsirairay, fa rehefa mahay mijery ny marimaritra iraisana sy miara-mikatsaka ny tombontsoa iraisana ary mifampatoky dia izay no zava-dehibe.
Efa nifampitaiza tao anatina fitsipika sy lalàna ny fikambanana hatramin’ny voalohany ka samy miezaka manaraka sy mampihatra an’izany ny tsirairay amin’ny asa rehetra izay atao : fivoriana, répétition, tournage, fampisehoana, …

Nanao ahoana ny fandraisan’ny olona anareo tany am-boalohany?

Tena mankasitraka ny olona satria na dia mampihomehy sy somary adaladala aza ny seho ataonay, na an-tsehatra izany na an-tsary, dia hita fa mifono anatra hatrany ary mora amin’ny olona ny mandray ny hafatra.

Inona tokoa moa ny hafatra tena ampitain’ny tarika ?

Tsy mifidy fa azo ampitan-kafatra daholo ny sehatra rehetra. Teny filamatry ny tarika ny hoe : “Zavakanto sy fampandrosoana”. Izany hoe manabe sy manentana ny olona rehetra tsy an-kanavaka amin’ny alalan’ny zavakanto mba ho fampandrosoana ny firenena. Mba hampisy fiantraikany tsara sy haingana eo amin’ny olona tsirairay dia ny zava-misy eo amin’ny fiainana andavanandro mihitsy matetika no tena trandrahina.

Firy ny album amin'izao ?

Valo (8) ny album “Tsiky Tsidika” (série de sketches)

Enina (6) kosa ny horonan-tsarimihetsika (film long métrage)

Nanao ahoana ny fanomanana, ny tournage, ny famoahana ny film « tantely amam-bahona » ?

Mila fotoana lava ny fanomanana tournage sy fanatontosana horonan-tsary iray. Tsy dia nisy olana ny “Tantely amam-bahona” fa nizotra tsara araka ny tokony ho izy izay natao rehetra. Azo lazaina hoe tratra ny tanjona napetraka.

Voarain’ny olona ve ny tiana hampitaina ?

Hitanay hoe voarain’ny olona soa aman-tsara ny hafatra ary vokatr'izany dia maro no mangataka ny hanohizana azy.

Inona no programme manaraka ataon’ny tarika ?

Mamokatra tantara mitohy (feuilleton) indray ny tarika amin’izao fotoana izao. Efa mandeha amin’ny fahitalavitra TVPLUS Madagascar izany tantara mitohy izany, mitondra ny lohateny hoe : FITIA VOASEDRA, isaky ny sabotsy sy alahady amin’ny 6 ora hariva. Mitohy hatrany koa ny fanontana ny Tsiky Tsidika amin’ny VCD.

Nangonin’I ‘Najaris.