Takariva 'vazo miteny' hiarahan'i Belahy sy Nantenaina

Ny fanomezan-danja sy ny hamerenana ny hasin'ny maha-malagasy no anisan'ny ifandraisan'ny tadin-dokangan'izy mirahalahy mpanakanto ireto, dia i Belahy sy Nantenaina, ka nahatapa-kevitra azy ireo hanao seho sehatra miaraka, ny zoma 26 febroary 2016 ho avy izao ao amin’ny "Restaurant Telozoro", etsy Andrefan'Ambohijanahary : Cabaret « Vazo Miteny ».

 

Tamin'ny taona 1995 no niforonan'ny Tarika Belahy izay fantatra amin’ny gadona vazo miteny.

Efa misy ny rakikira tafavoaka : ny voalohany
dia tany amin’ny fotoana nanombohany tamin'ny 1995  tany ho any, izay nisy an’i “Kalamara”, “Fiainana”, “Zanatany”,
sns. 
Ny faharoa kosa dia teo amin’ny taona 2000 teo ho eo ka nahitana an’i
Asa ihany”. Ny taona 2010 dia nanapa-kevitra hanao "Best of" ny tarika, ka voarakitra ao ohatra i “Bonne chance”, “Politika sy ny kristianina”.

Ny tanjona amin'ny rakitra fahatelo kosa dia ny hampivoitra ny feon-gitara tena malagasy (acoustique). 

 

Ny Tarika Nantenaina indray dia niforona tamin’ny taona 1995
tany Toamasina. Mivoy gadona isan-karazany izy ary mampiasa ny fiteny
betsimisaraka sy fiteny malagasy ofisialy, arakaraka ny hafatra tiana ampitaina.
Teny am-piandohana mihitsy dia efa nahatafavoaka ny rakikira voalohany ny tarika ka tanatin’izany i “Zanak'ambanivolo”,
Tambitamby”, “Sarotra andramana”.
Isan’ny efa voakasiky ny hiran’ny tarika
tamin’ireny vanim-potoana ireny ny halatra taolam-paty, ao anatin’i “Gasy
mandroso very faka
”. Tao koa ny resaka tsolotra tamin’ny “Vôlan'écolage”. Tsy diso anjara ny momba ny fiainana andavan'andro : “Ho avy ilay maraina”, “Anjara
masoandro
”, sns ary indrindra ny hiram-pitiavana : “Sentosento”, “Fitia tsy
tafita
”, sy ny maro hafa.
Ny taona 2013 no natolotra ny mpankafý ny rakikira faharoa sy ny
raki-tsary VCD, nisy ireo hira izay efa tsy afaka am-bavan'ny maro hatrizay.

Hisy hira vaovao maromaro koa ho entin'ny Tarika Nantenaina amintsika amin' io takarivan'ny 26 febroary io, toy ny "Métisse vazaha" sy "Mandalova", ary indrindra ny fampiaraham-peon’ izy roalahy amin’ilay ny hiran'i Belahy hoe « Kristianina », izay hivoaka tsy ho ela ny rakitsary mihetsika.

Eto izy mirahalahy dia mampita sahady ny fisaorana feno anareo mpanohana sy mpankafý hatrany, manasa anareo hitsidika ireo pejy ao amin'ny tambazotra facebook (tsindrio ny anaran'izy ireo etsy ambony, eo amin'ny fampahafantarana), ary manantena hifanatrika aminareo amin'io zoma 26 febroary io.

Izahay eto amin'ny RadioVazoGasy kosa dia mirary soa azy ireo hahaleo hahalasa hatrany eo amin'ny tontolon'ny kanto .