Festival Anaty Elakelantrano, andiany fahatelo.

 

Hetsika iray hanentanana ny ao Iarivo ity : sady hanehoana talenta no hanairana ireo izay mbola matoritory fa "tsy misy afa-tsy isika no afaka hanarina ny tanànantsika, ny firenentsika".

Hitondra ny anjara birikiny ny mpanoratsoratra rindrina, ny mpivazovazo, ny mpanao sokitra miainga amin'ny fitaovana eo am-pelatanana (baoritra, tapakazo, gazety tonta, sns), ny mpahay dihy, ny mpahay sary (pika sary sy kisarisary) ary ny maro hafa tsy voatanisa. Ny tanjona dia sady hiaraka hifaly sy hifampizara no hamela izay zakantsika hanatsarana sy hanomezana endrika ny tanàna... eny fa hanampy amin'ny fampihavanana ireo mpifanolobo-dirindrina tsy mifampiteny efa an-taona maromaro ihany koa - maninona tokoa moa, ny kanto anie ka mampihavana !

Andiany fahatelo sahady ity "Festival anaty Elakelantrano" ity, ary hiompana indrindra amin'ny lohahevitra : Maina ny tany, omeo hasina ny zavaboahary. Samia mitondra ny visavisany sy ny zakany ho an'ny zavaboahary, hanampy ireo izay efa ho entin'ny mpikarakara sy ny artista mpandray anjara. Maimaimpoana ny hetsika, araka ny anarany "Anaty elakelantrano", izany hoe ho an'ny sarababembahoaka izany, na matihanina na mpankafy sy tia ny soa sy ny kanto fotsiny.

​Aza hadino ary fa eny amin'ny Cite Médicine​,​ eny ambonin'ny hopitaly Befelat​à​nana​,​ n​o ​hifamotoanana ny 25 sy 26 febroary ho avy izao.​

 

 

 

 

 

Rondro Volantsoa