Rakikira vaovaon'i Ndrina Zopanage

 

Tafavoaka soa tamin'ny volana jiona teo ny rakikira voalohany an'i Ndrina Zopanage : Fa Hira No Fiainako, izay efa azo alahatra sy henoina ao amin'ny RadioVazoGasy.

Fa ambonin'izany dia an-kafaliana no anolorany ho antsika hira telo amin'ireo sivy ao anatiny aloha izao satria tsy mbola betsaka ny kapila natonta, izay azonao alaina maimaimpoana ato mandritra ny tapa-bolana : https://www.reverbnation.com/ndrinazopanage/songs

na mitsidika ny pejin'ny mpankafy ao amin'ny facebook : Ndrina Zopanage (sokafy ny "Band Profile" milahatra eo an-kavia amin'ny pejy)

​Mianoa sy mihainoa finaritra e !​

 

 

 

 

Rondro Volantsoa