Hay, hetsika iray lehibe hankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mozika, ny 1 oktobra 2017.

 

HAY, avy amin'ny hoe "hay ve ! " : fahatalanjonana fa hay ve misy zavatra toy izany koa anatin'ny sehatry ny mozika eto Madagasikara, satria ny ankamaroan'ny mpandray anjara amin'ity hetsika ity dia tsy dia miseho loatra amin'ny haino aman-jery...
HAY, avy amin'ny hoe "anay, izahay, mozikanay, kolontsainay"...
HAY, midika "fahafantarana, fahalalana"...

HAY, hetsika entina hanasongadinana ny fahasamihafan'ny mozika eto Madagasikara sy iraisam-pirenena. Hetsika eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatànana ary ny Fiarovana ny Vakoka, eo ambany fiadidian'ny Faritra Analamanga ary eo ambany fitarihan'i zokibe Vahombëy.

Aleo i Imiangaly, mpiandraikitra voalohany ao amin'ny Voots Kongregation no hanazava misimisy kokoa, ary manome fotoana antsika ao Antananarivo amin'ny 1 oktobra ho avy izao anatin'ny fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Mozika.

Fifandraisana:
- Finday: 033 07 055 94, 033 14 077 42
- Mailaka: kongregation.voots@gmail.com
- Facebook: VOOTS Kongregation

 

 

 
Rondro Volantsoa