El-Kacim sy ny MK-Prod

 

Isan'ny tanora mankafy mozika ka miezaka mamoaka ny vokatra i El-Kacim, ka ny MK Production - fanafohezana ny Mozika Kolotsaina - etsy Andohatapenaka no iarahany miasa amin'izany. Ny gadona Roots sy RnB no manavanana azy ary saika voaresany amin'ny hirany ny fiainana andavanandro, na ny eo amin'ny fiaraha-monina na eo amin'ny lafiny politika, ny fitiavana mazava ho azy, toa ny ankalazany ihany koa ny hakanton'i Gasikara.

Nanomboka tamin'ny 2014 izy no tanatin'ny label MK-Prod. Efa maromaro ihany ny sehatra nahitana azy raha tsy hitanisa afa-tsy ny tao amin'ny O'Festif sy tao amin'ny RYA'S Dream Andoharanofotsy tamin'ny 2017 sy ireo hetsika 4 tamin'ny taona 2018. Hatreto aloha dia mbola tsy misy aloha ny ketrika ny amin'ny taona 2019 fa raha misy kosa ny miantso dia vonona hatrany i El-Kacim sy ny MK-Prod.

Marihina fa tany amin'ny taona 2007 tany ho any no nitsanganan'ny Mozika Kolotsaina-Production izay mamokatra an-dr'i Mr Kiaky, Jaden Tag, Mic Hir, El-Miche, Robustone, El-Kacim, El-Dirah ary Khalifa izay tena anisan'ny namorona azy sy miandraikitra ny Studio. Samy manana ny gadona voiziny izy ireo, toy ny rap, ny RnB, ny Roots.

Eo am-piandrasana ny ketrika manaraka dia azonareo atao ihany ny manaraka azy :

- ao amin'ny : YOUTUBE
- ao amin'ny : FACEBOOK