Malagasy Team Kalo A Capella

MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA

Singa iray enti-maneho fihetsehana, anaty sy ivelany,
ny feo. Maro ny azo ampiasàna azy, fa ny fanehoana azy ara-java-kanto no
ijoroan’ny MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA.
MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA,
angaredom-peon’ireo mpandala ny mozika voizina aminy (feo), ivondronan’ny
tarika maromaro… 3 sy 3, AVM, Mi’AKO, Ar’ty, Zikal, Mikanto Voicing,
Team’dera, sy ireo mahaleo-tena vitsivitsy.

Voa-janahary indrindra ny feo, ka na mbola tsy misy
zava-maneno hanarahana azy akory aza dia efa afaka ajoro ho mozika feno… iray
manontolo, rehefa mandrotsirotsy sy mirindra ho an’ny sofina mandray azy. Ny
mpikambana @ iretsy tarika voalaza etsy ambony iretsy dia tanora
voavolavolan’ity karazana "seho mozika A capella" ity, àry saika vanim-potoana
iray no nihalehibeazan’izy ireo, nitaiza ny fahazazàny, ka niampitàny tamin’ny
fahamatorana. Nanodidina ny faramparan’ny taona 90, teo anelanelan’ny 1995
sy 2000 teo, no nahafantarana tarika vitsivitsy nilalao azy io, saingy
nihanalefaka izany taorian’ireo. Tsy nodimandry akory ireo tarika ireo, fa
nikaroka hevitra hametrahana fototra tsara rafitra sy maty paika hijoroan’ny
hoavin’ity taranja ara-mozika iray ity amin’ny sehatra marin-toerana kokoa.
Hetsika iray entina hampirantiana azy io, mitondra ny lohateny hoe MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA ihany, no
hotanterahina ny 10 Jolay 2009 ho avy izao eto amin’ny Faribolana
Alemà-Malagasy (Cercle Germano-Malagasy).

Tamin’izany taona 1995 izany, na talohaloha
keliny, no nandrenesana fipoirana tarika hoe : Boyz II Men, All-4-one, Pow
Wow, Poetic Lovers, Bobby Mc Ferrin, Take 6… sy ny mitovitovy karazana
aminy maro. Ireo no tarika anisan’ny nisarika ny MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA hilona sy hiaina ao anatin’ity A
capella ity, ankoatr’ireo tarika Malagasy vitsivitsy izay efa namela ny
dian-drangony tamin’ity kolon-tsaina… kolo feo iray ity moa : Salala,
Vaovy, Senge, AVM, Ar’ty, etsetra. Hiran’ireo tarika ireo hatrany no nentina
nampifanandrifiana tadin-dokanga… jihim-peo, isaky ny misy fihaonana voalohany
eo amin’ny samy mpandala azy ity. Nihanivoatra ny zava-drehetra ka raha
mpamerina ireo hiran’olona ireo ny MALAGASY
TEAM KALO A CAPELLA fahiny, dia saika efa nirona tamin’ny famoronana izy
ireo ankehitriny, izany hoe misy làlana mazava tsara nizorana sy nolalovan’ny fivoarany…

Manasa anao àry izy ireo hanatrika sy hanotrona io
fampisehoana hotanterahany ny faha-10n’ny volana Jolay io, eto amin’ny
Faribolana Alemà-Malagasy (Cercle Germano-Malagasy) ihany, manomboka amin’ny
07 ora hariva. Ilazao ny tapaka sy namana fa tsy matetika ny endri-javatra
tahak’izao !!!!

« MALAGASY TEAM KALO A CAPELLA »