Lalatiana

Niainga
tao anatina fianakaviana mpanao zava-kanto ve ianao ? 

Ny raiko dia mpamoron-kira sady nanana
Tarika nantsoina hoe “Ny Avoko” tamin’ny fotoan’androny. Mpitarika ny
Amboaram-peo tao amin’ny Fiangonana nisy anay koa izy, ka izany no nahatonga
ahy niditra tao amin’io antoko mpihira 
io dieny mbola kely, nanaraka azy mampianatra hira… Ny reniko dia nihira
tao amin’io tarika io, ary ny renibeko (arrière grand mere) dia mpilalao
tantara an-tsehatra nanana ny naha
izy azy… Tiako hambara koa fa maro ny olona ao amin’ny fianakaviana no manana
talenta mihira sy milalao an-tsehatra raha tsy ireo izay voalaza ambony ireo
ihany, ary ny fivoriana dia tsy ialàn’ny vetsovetso…

Taona
niatombohana nihira , niakarana sehatra ? 

11 folo taona aho no niakatra an-tsehatra
voalohany... nihira ny Imaitsoanala (hiran’I Vola sy Noro), ary tsy nahatody
hatramin’ny farany fa nitsoaka, satria tera-dranomason’ny henatra sy ny
tahotra! Efa efa-polo taona mahery aho izao…

Faniriana
hatrizay ve ny hihira ? 

Faniriana? fitiavana angamba, sa talenta
efa nitaiza? hoy ny fitenenana hoe “latsaka tao anatin’ny hira aho vao teraka
teto an-tany!”

Hira nahafantarana anao voalohany ? 

Lasalasa ambiroa, fony izao tao amin’ny
tarika ORO, fa ny hira voalohany noforoniko sy nandraisako anjara tamin’ny
fifaninanana “Découvertes RFI 86”
dia “Ho an’iza ny masoandro”

Hira
eritreretinao hoe nitiavan'ny olona anao ? 

“Avelao… ?

Mpanoratra
ny hira ? 

Misy ireo hira , izaho no mamorona ny
feonysy ny tonony, fa miara miasa amin’ireo mpanakanto manana talenta manokana
ho amin’izany koa aho. Ny anadahiko koa dia mandray anjara be amin’ny
famoronanan ny hira sasany hiraiko …

Vetin
kevitra fonosin'ny tonokiranao ? zavatra niainanao ve ?

Fitavana
amin’ny ankapobeny, fiainana…

Zavatra
niainako? indraindray eny, indraindray tsia…

Misy hafatra tianao ampitaina manokana ve aminy hiranao ? 

“…fa ny hira izay hiraiko no ahafantaranao ny amiko

na ny zavatra  tsy tiako, na ny
zavatra izay mamiko,

ireny tebitebin-tsaiko, sy ny hafaliam-poko,

Izay rehetra toe-panahiko, ny ahiahiko
finoako…”Lalatiana, taona 1987…

Mpanakanto ankafizinao ? malagasy ? vahiny ? lahy ? vavy ? 

Tsy manana anarana manokana ho lazaina aho, fa mankafy izay hira
mahasarika ny fitiavako sy ny saiko eo am-pihainoana izany… Mety ho ny tonony
nomanohana ahy, mety ny feony, mety ny mpihira, na koa mety izy rehetra
mitambatra…Mihaino karazan-kira maro be koa aho, na gasy na avy aty ivelany, fa
mamelona ny hevitra famoronana sy ny aigam-panahiko izany…

Ny lalana nodiavina :

Ny
azoko ambara :

-     11 taona niakatra an-tsehatra voalohany,

-    Nanafana sehatra maromaro fony mbola
vantony, tao amin’ny fokontany sy ny fiangonana, niaraka tamin’ny
mpiara-mivavaka, ny mpiray tanàna (tamin’izany no nanomboka nifanerasera
tamin’I Tôty ), fa indrindra ny mpiray tampo, nanafàna alim-pandihizana izahay
tamin’izany fotoana izany, nanomboka namorona hira koa, ary nankafy ny
fiarahana mihira teo an-davarangana…

-     1982:Niditra tao amin’ny Tarika ORO
(Tarika nadalovan’ny mpanakanto malaza toa an’i 
Nono, Solo Andrianasolo, Arly Rajaobelina, Rolly Andrianjohary, Mamay
Ralaivita ary I Toty dia anisan’ny Mptitendry tao…). Tarika namokatra hira toa
an’i Lasalasa ambiroa, Avelao any, sady nanafàna fety isan-karazany….

-     1984: niditra ho mpihira tao amin’ny Café
Théatre Speedy, ary nihira teny an-tsehatra isaky ny zoma sy ny sabotsy alina,
tamin’izany no niforonan’ny Tarika Speedy Band, sy Tritra avy eo… Tao no
nanombohana nihaino sy nilalao karazan-kira maro toa ny jazz, tao koa no
nampirona ny saina tamin’ny fampivadiana ny loko samihafa ao anatin’ny asa
famoronana…Vako-jazz, Jazz-fision… Ireo mpitendry nifandraisana sy
niaraha-niasa tamin’izany no tena tompo-marika tamin’io (Ndrina, Tôty, Pana,
Datita Rabeson, Elysé, Naivo…)

-     1986: Namoronako  ny hira voalohany: Ho an’iza ny masoandro,
hira izay nandraisana anjara tamin’ny Fifaninana “Découvertes RFI” ary
nahazoako ny loka “Prix des auditeurs”

-     1987: Volana Aprily, niakatra an-tsehatra
irery voalohany  nitondra ny anarana
Lalatiana, Madagasika sy ivelany……

……dia mbola mitohy izany hatramin’izao…

Tsy dia
fanaoko ny manisa fa tsy misy dikany amiko izany amin’ny lafiny kanto

Firy
ny isan ny hira ?
  

 tsy voaisako…30, 60, 100?

Raki-kira
navoaka ? 

2000: Ianao namako, 13 hira,
Famahoana  Rija R/LLT

2006: Tsotra ihany, 11 hira,
Famahoana  Jejy Mozika

Ny
dingana eritreretinao hotratrarina amin ity taona ity , taona manaraka ? album ? 

Ny Famolavolàna ny hamoahana  ny kapila manaraka, no imasoako izao, fa tsy
manana daty atolotra aho raha ny hivoahany marina. Toy izany ihany no efa
nataoko tamin’ireo teo aloha…

Seho manaraka ? 

-      6 Jona, fampisehoana manokana any Bordeaux,

-      26 juin 2009 à Nogent : Fampisehoana ao
anatin’ny fankalazàna ny fetin’ny fahaleovan-tena, sy fandraisana anjara
amin’ny fiaraha-miasan’ny faritra Picardie sy Madagasikara,

-     4 jolay: fampisehoana manokana
Départemanta 91,

-     12 jolay: fampisehoana manokana any Toulouse,

-     Novambra: fampisehoana any Poitiers…

Inona
no mampiavaka ity hetsika ity ?
 

Misy lanjany manokana amiko ny manolotra anjara-biriky amin’ny asa
fampandrosoana indrindra fa ho an’I 
Madagasikara. Raha ny talentako no antsoina ho amin’izany, dia vonona
aho. Tsy vao izao izany no nataoko, fa efa hatry ny ela no niantsoana ahy
hanantanteraka hetsika toa izany…

Inona ny zava baovao ho an'ny mpakafy anao ? 

Ny fiakàrako an-tsehatra dia zava-baovao foana, satria ny seho rehetra
amiko dia samihafa daholo.. Ny zavatra mbola tsy mahazatra ny olona angamba dia
ny mozika manaraka ny hirako amin’izao fotoana izao, izay somary nohamaivanina,
fa izany no mampisongadina ny aingampanahy vokarin’ireo hira hiraiko. Ny
hafanàn’ny hira anefa ao foana, ny hira koa tsy miova…

Raha ny hira hiraina indray dia mazava ho azy fa amin’ny fampisehoana
toy izao no hampisehoana izay vaovao…

Misy teny tianao hapitaina amin'ny mpakafy anao ve ? 

Raha  mbola omen’ny Nahary
tombon’andro aho, ary isaorako Azy izany, dia mbola hihira foana, ary
hanandratra izay talenta nomena ahy mba hitondra hafaliana ho anareo mpankafy..
misaotra amin’ny fankasitrahanareo, fa hery lehibe ho ahy izany sady
mamporisika ahy handroso foana…

Ireo
tanora izay maniry hanaraka ny dianao ?
 

Lalàn-davitra no nalehako teo amin’ny sehatry ny mozika, ary tsy voatery ho
tsara foana ny zavatra niainako tamin’izany. 
Nofikiriko foana anefa ny nofiko, dia ny hanao izay zavatra
mahafinaritra ahy …ary tsy mbola niova tamin’izany aho hatramin’izao…  Tsy mahatsiaro ho efa tonga aho na
koa ho feno tanteraka fa mbola miezaka mampivelatra izay efa hananako, ka izay
rehetra hitako sy henoko dia ampiasaiko avokoa hizorako ho amin’izany….  Maniry aho mba hanana nofy daholo ny rehetra

tsy lesona omena fa pi-maso kely monja…