Ho avy tokoa ny farandro

Miverimberina
eto Madagasikara indray, ary re eran-tany mihintsy aza ny hoe ho tonga
ny « farandro ». Ny fanoratra azy moa tsy voafaritra hoe « fara-andro »
misaraka sa « farandro » mikambana fa ny heviny dia hoe « farany,
andro ». Manahirana ny sain’ny maro izy io satria mifamahofaho be ihany
ny zavatra lazain’ny olona isan-karazany. Raha tsorina dia tsy vao izao
no nilazana fa ho avy ny farandro. Efa tantara famerimberin’ny mpikaroka
sy izay olona te hitantara izy io. Vinavina ihany anefa ireny fa tsy
nisy na iray aza afaka tena nanamarina fa amin’ny daty voalaza no
iaviany. Kobay afofoka matetika ny hoe voasoratra ao amin’ny baiboly fa
ho avy ny farandro, voalazan’ny tononandro Maya fa ho avy amin’ny
21/12/2O12 ny farandro, hitan’ny mpikaroka fa hisy vaingan-kintana efa
maty hifandona amin’ny tany sy ny sisa sy ny sisa. Arakaraky ny toerana
misy ny tsirairay no hilazany ny mety ho fitrangany.

Raha ireo antokom-pivavahana teraka taty afara no lazaina (ireo antsoin’ny fiangonana zokiny hoe
sekta) dia zavatra mahatsiravina sy mampatahotra foana no ambarany.
Mitaona ny rehetra izy hino azy ka hivavaka ao aminy mba ho voavonjy.
Raha mpikaroka ara-tsiansa sasany dia mamelabelatra fomba fijery mety mitombona
(théorie) izy, tsy hoe andresena lahatra fa hilazana petra-pikarohana
na koa valim-pikarohana. Raha olontsotra indray dia lasa manely tsaho
fotsiny satria tsy dia ampy vaovao sy fandinihina ary fikarohana loatra.

Fanairana ny sain’ny maro fotsiny no tianay hifampizarana eto. Mila hazavaina amintsika rehetra
sy amin’ny manodidina antsika aloha fa samy hafa mihintsy ny fijerin’ny
manam-pahaizana ny faran’ny zanak’olom-belona sy ny faran’ny fisian’ny
tany honenantsika. Ny faran’ny zanak’olombelona, ankoatry ny hoe tsy
maintsy maty tahaka ny zava-manan’aina, dia mety vokatry ny hoe
fahasimban’ny tontolo iainana noho ny loto, sy ny fiakaran’ny hafanana
be loatra noho ny fahasimban’ny «couche d’ozone » ; mety hoe noho ny
fahataperan’ny harena azo trandrahana ka ivelomana eto an-tany sy ny
hafa tahak’izany. Ny faharavan’ny tany indray dia maro ihany koa ny
zavatra mety hiseho toy ny hoe fifandonana amin’ny « komety » sy ny
tahak’ireny (hanampy anao ny famakiana izay voalazan’ny Wikipédia ohatra
na boky hafa). Ny zava-dehibe dia ny fahalalana tsotra fotsiny fa tsy
misy na iza na iza afaka mitompo teny fatratra fa amin’ny taona, andro
sy ora voalazany dia ho tonga tokoa ny farandro. Tsy misy na iza izy na
iza mahalala izany. Petrak’hevitra ihany no ataony kanefa ka ty tokony hinomino foana, hivarahontsana, hitebiteby sy hanaonao foana maheno izany. Lazain’ny mpandresy lahatra te
hampihorohoro fa ny tsunami, ny horohoro-tany, ny hain-tany, ny
volkano, ny tondra-drano, ny rivo-doza, ny ady, ny fifamonoana etsy sy
eroa, ny krizy isaky ny firenena sy ny toy izany rehetra dia fanambarana
mialohan’ny hahatongavan’ny farandro. Tsy vao izao na
hoe vao tamin’izao taonjato iainantsika izao no nisehoan’ireny fa efa
nisy hatramin’ny naha-tany ny tany. Trangan-javatra voajanahary tsy
maintsy miseho ireny ary tsy fanambarana velively fa hoe ho avy ny
farandro.  Ny mahavalalanina dia ireo « sekta » tena mivoy ity
farandro ity izay te handresy lahatra ny mpitondra eran’izao tontolo izao
hanafoana ao anatin’ny « calendrier » ny datin’ny 21-12-2012. Izany ve
tsy kilalaon-jaza te hanaonao foana. Na misy na tsy misy io daty
malazan-dry zareo io dia tsy olana satria tsy hoe rehefa foanana io dia
tsy hisy ny farandro. Ny farandro tompoko dia hisy foana saingy tsy
fantatra mihitsy izay fotoana izay. Raha ny mety
dia ny miaina fotsiny tahaka ny isan’andro arak’ilay
hiran’ny mpanankato frantsay iray izay hoe «vivre chaque  jour comme le
dernier ». Tsy misy zavatra mampatahotra izany, tsy misy fanomanana atao
manokana izany fa rehefa ho avy dia avy. Ny isan’andronao no mamaritra
ny farandronao fa tsy hoe amin’ny farandro vao hanao ny tsara sy hamita
adidy. Raha ny fahendren’ny ‘ntaolo no jerena dia tsy nivaky loha
tamin’izany izy fa naleony niteny fotsiny hoe « amin’ny rehetra ataonao,
tsinjovy ny farany ». Izany no fahendrena.

Lebota