Malagasy mamiratra eo amin'ny taranja MMA no nivoaka ho mpandresy tamin'ny fiadiana ny ho tompondaka tamin'ny fifanintsanana MMA Bellator 173 ity. Miarahaba am-panajana ary mandray tànana manokana an'i Iony Razafiarison izay nandavo an'i Sinead Kavanagh teo amin'ny sokajy 65 kg.
Marihina fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay i Iony ary amin'ny anaran'ny ekipa frantsay no niatrehany ny Bellator MMA 2017
Aleo moa izy no hanazava amintsika ny làlana nodiaviny hatreto :
Indro kosa ny rakitsary manontolon'ny ady nifanaovany tamin'i Sinead ny 24 febroary teo.