[Dikan-teny malalaky ny lahatsoratr'i Simone Terreni.]
_________________________________
Izaho i LA GIOCONDA an'i Leonardo da Vinci.
Ilay sanganasa mandiso fanantenana indrindra eto ambonin'ny tany.
Maro tokoa ireo mpitsidika ny Louvre no diso fanantenana rehefa tonga eo anoloako.
Isan'andro dia olona manodidina ny 30 000 no tonga mijery ahy, efa ho 10 tapitrisa isan-taona. Manao filaharana lava dia lava mba haka sary ahy na hanao “selfie” fotsiny. Ambony dia ambony ny andrandrain’izy ireo : efa fantatra fa izaho no sary hosodoko malaza indrindra eran-tany ! Kanjo rehefa tonga eo anoloako rizareo, bitika erý, tototra ao anatin’ireto vahoaka mpankafý ahy marobe, dia lasa izy ireo fa hay hono aho tsy dia mankaiza akory…
Azoko tsara rizareo, mampalahelo.
Olona tsy mahay n’inon’inona fotsiny izy ireo, izany hoe tsy mahalala ny tantarako.
Voalohany indrindra aloha dia tsy sary hosodoko aho, fa FAFANA kely. Fafana kely vita amin’ny hazo, mirefy 77 x 53 santimetatra fotsiny. Asa inona angaha no nantenainareo ?
Tamin’ny 1503 tany Florence no nanomboka nandoko ahy ny dadako, andriamatoa Leonardo Da Vinci, tambonin'ny sary iray izay nofafany.
Ny endrik’i Lisa Gherardini no asehoko. MONNA LISA rahateo koa moa no niantsoana ahy.
Ny “monna” dia fanafoizana ny teny hoe "madonna", amin’ny teny latina hoe "mea domina" izay midika hoe ny tompoko vavy.
Lisa dia vadin’i Francesco del Giocondo. Izany no mahatonga ahy antsoina hoe La Gioconda, satria vadiny aho, fa tsy hoe mitsiky am-pifaliana aho - (fanazavana kely : ny “gioia” amin'ny fiteny italianina dia midika hoe hafaliana).
Fa tsy mba namidin’i Leonardo mihitsy anefa aho.
Nentiny nanaraka azy foana aza aho. Tiany loatra aho. Izaho no hosodokony tiany indrindra. Nahitsiny tsisy farany aho. Hoy i Vasari izay hoe “TSY TONGA LAFATRA” aho, tsy nety vita mihitsy aho, fantatrareo ve izany?
Niaraka taminy tao amin'ny efitrano fandriany tao Amboise, ao France aho, raha nodimandry i Leonardo tamin'ny 1519. TSY nangalarin’ny Frantsay velively aho ! Fa novidian'ny Mpanjaka frantsay François I ara-dalàna, noho izy mpankafý be ahy.
Noho izany, aoka tsy ho isaky ny mihetsika ianareo Italianina dia hiteny amin’ny Frantsay foana hoe avereno aminay i La Gioconda !
Eto ny tranoko, eto Paris !
Nandritra izay fotoana izay dia nangalarina aho, nosimbaina, nofafazana loko. Nasian’i Duchamp volombava aho, navadik’i Andy Warhol ho pop, novain’i Botero ho matavy, nataon’i Banksy ho mujaheddin mpitifitra amin'ny balafomanga. Zary sary famantarana maoderina aho, olo-malaza, tena kintana mamiratra mihitsy aza.
Ary maro ireo tsiambaratelo miafina amiko.
Manomboka amin'ny tsikiko feno mistery.
Misy milaza fa mitsiky aho satria tamin’ny nanao hosodoko ahy i Leonardo dia niantso mpanao mozika sy mpampihomehy hanariana dia ahy.
Ny hafa, toa an’i Dan Brown ao amin’ny Codice Da Vinci-ny dia milaza fa i Leonardo ihany aho fa amin’ny endrim-behivavy.
I Freud indray nilaza fa tsiaro sarobidy ho an’i Leonardo tamin’ny fahazazany aho, angamba ny reniny.
Rediredy daholo izany rehetra izany !
Mitsiky aho satria rehefa mahita anareo misahotakotaka tonga eo anoloako aho, amin’ity fizahan-tany mirodorodo sy maimaika, tsisy fandinihana lalina ity, dia hitako ny endrikareo diso fanantenana ary azoko fa tsisy N’INONA N’INONA hainareo momba ahy.
Izany no antony mahatonga ahy "mbola" sy "ho" hosodoko tsara indrindra hatrany, eto amin’izao tontolo izao.