Mihamafana marina ve ny tany iainantsika sa fomban-tany ihany izany

Mampatahotra ny maro satria natao fampitahorana tato ho ato ny hoe « mihamafana ny tany » ka mety ho loza no iafarany. Ho an’ny sarambabem-bahoaka dia marina tsy azo idivirana izany satria izy ireo dia tsy mahalala afa-tsy izay nampahalalaina azy. Betsaka ny film navoaka nentina nanaporofoana fa mihamafana ny tany. Nalaza indrindra ny « Home » izay nanome antsika fomba fijery ankapobeny ny toetry ny tany sy ny tontolo iainana ankehitrio. Ity lahatsoratra ity kosa dia mandalina sy mijery ny mety ho ambadika ateraky ny fankatoavana be fahatany izany foto-kevitra izany. Lahatsoratra nalaina tamin’ny Revue Terre d’Espoir navoakan’ny ASJA n°4, 2ème trimestre 2010 ary nosoratan’i Francis Maginot, Ingénieur-chercheur. Lahatsoratra lava be amin’ny teny frantsay izy ity fa fintinina amin’ny teny malagasy fohy sy mazava. Raha fintinina amin’ny fehezan-teny fohy ny tian’ny mpanoratra ambara dia manaitra ny saintsika rehetra izy tsy hanaiky be fahatany ny voalazan’ny mpanoratra sy ny mpikaroka hoe mihamafana noho ny asan’ny olombelona ny tontolo ianantsika. Toy izao ny fomba entiny manazava ny hevitra tohanany. Somary teknika ihany kanefa tena mora azo. Voalohany aloha dia tsara apetraka ao an-tsaina fa ny fomba fandrefesana ananantsika momba ny hafanan’ny tany, na ny fiovaovan’ny toetr’andro dia vao 200 taona monja raha be indrindra. Tsy misy dikany mihintsy anefa io raha oharina amin’ny fisian’ny tany izay manodidina ny 4miliara taona.

Zavatra valo loha no entiny hanaporofoana amintsika fa ny asan’ny fisian’olombelona dia tsy afaka manova velively ny fizotran’ny natiora. Ampitahainy amin’izany ny  faritra misy ny zanak’olombelona eto ambonin’ny tany : toerana ipetrahany, lanjany, ny herin’aratra ilainy, ny gazy avoakany, ny fihodikodinan’ny natiora (cycle), ny fizotran’ny natiora ara-boajanahary.

Raha tombanantsika ho 10 miliara ohatra no isan’ny mponina eto ambonin’ny tany (isa mihoampampana anefa io) ka apetraka amin’ny toerana iray, eo ambony seza ireo olona rehetra ireo dia tafiditra ao anaty velaran-tany 100km x 100 km. Izany hoe mitovitovy amin’ny halaviran’Antananarivo sy Andranomanelatra (Antsirabe) atao in-droa mivelatra. Oharin’ny mpanoratra amin’ny kodia kely (1 cm x 1 cm) apetraka eo ambony sambo mpitatitra entana (300m x 50m x 50m) iray ny fisian’ny olona eto an-tany raha ny vesatra no jerena. 1/10 miliema kosa ny voka-dratsy ateraky ny herin’aratry ny olombelona raha oharina amin’ny omen’ny masoandro. Raha ny entona (gazy) avoakan’ny olombelona sy ny asa ataony indray dia mbola manana 665 taona isika vao mahatratra ny 1% n’ny fahasimbanan’ny atmosfera. Maivana kely ary tsy misy dikany izany ny fanimbana ataontsika raha jerena amin’ny fo tsy miangatra.

Tsy vitan’izany ihany fa ny toetra voajanahary nahariana izao rehetra izao dia mifamadibadika ny fotoana rehetra. Efa nisy ny fotoanan’ny ranomandry ka nangatsihaka be ny tany ; efa nisy koa ny fotoanan’ny hain-tany ka namay be ny tany. Ireo rehetra ireo aravona hoy ny mpanoratra dia tsy maharesy lahatra velively hoe mahazo laka be toy izao ny fampahalalana ny olona fa mitombo be ny maripana eto an-tany noho ny asan’ny zanak’olombelona fotsiny.

Fampitahana nokarohana hanampy antsika handinika ireo fa tsy hoe akory famporisihana antsika hanaonao foana amin’ny fitandroana ny tontolo iainana sy ny tontolo manodidina. Saingy aoka ho fatantsika fa tsy amin’izao taonjatontsika izao akory vao nisy tany mihotsaka na tendrombohitra miletsy fa efa fomban’ny tany izany. Tsy vao izao akory no nisy ny rivo-doza, tadio mahery vaika, ny tsonamia, ny volkano sy ny sisa fa fomban’ny natiora ireny.

Rehefa fintinina ireo voalaza ireo dia toa azo lazaina fa fomban’ny tany sy ny natiora ihany kay ny fifamadibadihana eo amin’ny hatsihaka sy ny hafanana. Ary tena mahay tokoa ny razantsika nilaza ny hoe : « ririnin-dasa tsy tsaroana ». Satria rehefa mahatsapa fa mamay isika ankehitriny dia milaza fa izany no hafanana ambony indrindra nisy teto an-tany. Ary rehefa mangatsihaka indray dia milaza fa « tena mangatsihaka ity ririnina ity ». Sarotra tsaroana tokoa ny lasa.

Mpandalina.