Ferguson Missouri, ny vahaolana amerikana

Nanaitra tokoa ny nahita ny nahatongavan'ny tafika hanampy ireo mpitandro filaminana ao amin'ny tananan'i Ferguson, Missouri any Etazonia tamin'ny fiandohan'ny herinandron'ny 18 aogositra 2014 teo. Ny fidiran'ny tafika an-tsehatra toa izao mantsy dia midika fa tsy voafehin'ny polisim-paritra intsony ny korontana. Tsiahivina fa ny nitifiran'ny polisy ka nahafaty ilay tovolahy mainty fihodirana Michael Brown izay vao 18 taona monja no nahatonga ny korontana lavareny ataon'ireo mponina. Amin'izy ireo dia tsy manantsiny ity tovolahy ity nefa dia izao niharan'ny famonoana izao. Ny mpitandro filaminana kosa etsy andaniny dia nilaza fa nampiasa herisetra tamin'ny polisy i Michael Brown ary teo am-pakàna ny fitaovam-piadian'ilay mpitandro filaminana izy no voatery notofirin'ito farany. 

Nisy ny vahaolana izay nentin'ny tanàna nanendrena lehiben'ny polisy mainty fihodirana saingy tsy nahomby nitondra filaminana izany fa nitohy ihany ny fihetsiketsehana nataon'ireo vahoaka. Navoaka ihany koa ny anaran'ilay polisy nitifitra saingy mbola tsy nampitony ireto mpilahatra izany. Ny angatahan'izy ireo dia ny hitsaràna amin'ny fomba ara-drariny sy hanamelohana ity nitifitra izay lazain'izy ireo no mpamono olona.

Koa izao ary dia nampidirina hitandro filaminana ny tafika. Tranga izay maha valalanina ny maro, indrindra ireo mponina ao an-toerana satria hoy izy ireo dia raisina ho toy ny tany miady ny tanàna kanefa fitakiana ny rariny no natao.

Taratry ny fisian'ny fanavakavahana any Etazonia ihany ny zava-mitranga toa izao, na dia averimberina matetika aza fa firenena fitaratra amin'ny demokrasia ity firenena ity.